Taorian’ny fanambaran’ny fianakaviamben’ny foloalindahy ny 23 aprily teo fa tsy handray baiko hitondra any amin’ny fandatsahan-dra ny mpiray tanindrazana intsony dia nitohivakana ny fiandrasan’ireo mpiasan’ny minisitera sy andrim-panjakana isan-karazany ny fakan’ireo mpitolon’ny 13 mey azy teny amin’ny fiasanany tsirairay avy.
Saika efa mba nametraka ny dian-tongony niaraka tamin’ireo vahoaka an’alin-kisa tetsy Analakely avokoa ny ankamaroan’ireo mpiasam-panjakana. Na ny mpianatra eny anivon’ireo sekolim-bahoaka koa aza efa be no nidina teny. Toy izany koa ireo mpiara-miasa eny anivon’ny sehatra tsy miankina sasantsasany. Ireo avy eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika sy ny primatiora izany sisa no hany tsy mitokona. Manoloana izany anefa dia mbola mizizotra ihany ireo tompon’andraiki-panjakana efa hanaovana fikambanana marobe fanambarana fa tokony hametra-pialana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.