Marobe ireo fanitsiana naroson’ny mpiasan’ny kaominina amin’ilay sata manokana mifehy ny tanŕnan’Antananarivo Renivohitra. Anisan’izany ny fanendren’ny ben’ny tanŕna mivantana ireo delege hitantana ireo boriborintany enina hiara-kiasa aminy.
Efa azo ihany koa ny famatsiam-bola fa tsy fanampiana ka ilaina mivoaka avy hatrany ny tetibola entina miasa mandritra ny telovolana voalohany. Amin’ny maha rafitra ifotony ny fokontany dia tsara raha omena fahefana bebe kokoa izy ireo. Ny fivoriambem-pokonolona no tokony hifidy ny sefo fokontany izay hatolotra sy hotendren’ny ben’ny tanàna. Tonga teny amin’ny lapan’ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza mihitsy moa omaly ireto solontenan’ny mpiasa avy amin’ny CUA ireto notarihan’ny dokotera Rakotomaharo Tsinjo. Resy lahatra izy ireo fa handinika ireto andininy maro nasiam-panitsiana niainga avy amin’ny hetahetan’ny mponina eto Antananarivo ireto ireo solombavambahoakan’i Madagasikara mialoha ny handaniana io sata vaovao mifehy ny kaominina Antananarivo Renivohitra io.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.