Politique

Mpiasan’ny «Air Madagascar» Hanohy ny tolona hatramin’ny farany


  • Talata 30 Jona 2015

Nirohotra teny amin’ny fitsarana Anosy omaly ireo mpiasan’ny «Air Madagascar» manohitra ny sokajian’izy ireo ho tsy rariny sy fanitaram-pahefana avy amin’ny mpitondra fanjakana.

 

 Mitaky ny famoahana ny mpitondra tenin’ny sendika Rabarilala Rado izay voatana eny amin’ny polisy ara-toekarena Anosy nanomboka ny sabotsy 28 jona teo taorian’ny fakana am-bavany azy nandritra ny 9 ora. Niandry ny fitondrana ity «Officier Pilote de Ligne» ity teo anoloan’ny fampanoavana moa ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny kaompaniam-pitaterana anabakabaka Malagasy saingy niroso tamin’ny fisavana ny tranony teny Talatamaty indray ireo polisy mpanao ny fanadihadiana.

Fanapenam-bava ny marina

Nahazo baiko sy tsindry ny teo anivon’ny fitsarana momba ity fampiantsoana sy fisamborana avy hatrany ny OPL Rabarilala Rado ity taorian’ny fitoriana nataon’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fitaterana mifototra amin’ny fanembantsembanana ara-toekarena, fikambanan’ireo olon-dratsy ary fanalam-baraka, hoy ny maître Razafinjatovo Willy. Nitory koa mantsy ny mpiasan’ny Air Madagascar talohan’io saingy tsy nisy tohiny. Midika fanitsakitsahana ny zo sendikaly sy fanapenam-bava ny marina ny fihetsika nasehon’ny mpitantana ny orinasa Air Madagascar, araka ny fanazavan’ny mpisolovava. Nampita hafatra nampirisika sy nankahery ireo mpiara-miasa aminy moa ny mpitondra tenin’ny sendika tsy ho kivy fa hijoro amin’ny fitakiana natomboka dia ny fahazoan’ny orinasa fahafahana ara-pitantanana. Ireto farany izay nanamafy fa hanohy ny tolona hatramin’ny farany. Fantatra moa fa nivoaka ihany koa ny didy tsy ahafahan’ireo mpiara-mitarika ny hetsika sendikaly miisa 6 mivoaka an’i Madagasikara. Nanohana ny hetsika teny an-toerana ny sendika avy amin’ny Jirama, ny mpiasam-panjakana ambony, ny fananantany ary ny Fisemare.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT