Voahitsaka sy tsy voahaja ny zo maha olona. Voahosihosy koa ny zon’ny mpiaro ireo mpiasan’ny «Aviation Civile de Madagascar» ao Antsirabe voarohirohy amin’ny fampidirana an-tsokosoko ny filoha Ravalomanana Marc.
Sokajian’ny maître Rabemananjara Lalaharinoro ho «sequestration» na fanafenana tsotra izao azy efatra mirahalahy ny fihetsiky ny manampahefana nanomboka tamin’ny fangalana an-keriny azy ireo tao amin’ny toeram-piasana ny 23 oktobra hatramin’ny famonjana manjavozavo any Antsiranana izay tsy fantatra marina ny antony. Fandikan-dalàna hafa io fampidirana am-ponja io satria tsy mitombina aloha hatreto ny fanenjehana ny filoham-pirenena teo aloha kanefa dia ampiharina amin’ireo lazaina fa mpiray tsikombakomba ny fanasaziana any an-tranomaizina. Mitaky tsy misy hatak’andro ny famoahana an-dRafanomezantsoa Mahery, Rakotoniaina Solofo Jean Désiré, Rakotoarisoa Vonjy ary Randriamihaja Mamy Haingo ny fianakavian’izy ireo izay tena sahiran-tsaina tanteraka noho ny tsy fahazoam-baovao mazava mikasika azy ireo. Raha misy ny fanadihadiana tokony hatao dia tompon’andraikitra voalohany amin’izany ny Tale jeneralin’ny ACM saingy toa izy indray no mitory ireo mpiasa eo ambany fiadidiany, hoy ny fanampim-panazavana. Araka ny vaovao farany azo moa dia miditra amin’ny fifadian-kanina ihany koa izy efatra mirahalahy amin’izao fotoana izao. Nangataka ny famoahana azy ireo vonjimaika ny mpisolovava azy ireo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.