Politique

Mpiasam-panjakana manao propagandy Tsy voafehin`ny praiminisitra intsony ny olony


  • Zoma 12 Oktobra 2018

Efa tsy misy intsony ny fanjakana tan-dalàna fa manitsakitsaka ny lalàna velona misy eto amintsika ireo olona ambony eto amin`ny firenena.

 

Mbola misy olom-panjakana ambony, tsy voatery ho mpiasam-panjakana fa miasa ary voatendry hanao ny asan`ny olom-panjakana ambony manao fiandaniana politika amin`ny haino aman-jery amin`izao fotoanan`ny fampielezan-kevitra izao. Efa fomba fanaon`ny mpanolotsaina manokan’ny praiminisitra Ntsay io miandany loko politika io kanefa voararan’ny lalàna. Raha mbola mitohy izao ataony izao dia  mampihintsana an-daharana kandidà na miteraka fialany avy hatrany. Tsy voafaritra mazava tsara ny sazy ny amin`ny mpiasam-panjakana manao fampielezan-kevitra kanefa manazava ny ao anatin`ny lalàmpanorenana, indrindra ao anatin`ny lalàm-pifidianana fa mitarika ny fanalana andaharana ny kandidà na fanafoanana ny ampaham-bato azony tamin`ny alalan’ny fampielezan-kevitra nataon`ny mpitondra fanjakana ambony. Tsy mahazo mandray anjara amin`ny fampielezan-kevitra amin`ny fifidianana manomboka any amin`ny mpikamban`ny governemanta hatrany amin`ny mpiasam-panjakana faran`izay tsotra izay tratra. Ankoatra izay, tsy azo atao na ny fijoroan-dry zareo amina famoriam-bahoaka politika aza ary tsy tokony handray anjara amin`ny fampielezan-kevitra ireo mpikambana mpanatanteraka eo anivon`ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Ny lalàna dia natao ho an`ny rehetra ary hampiharina avy hatrany raha misy tsy mety. Ny praiminisitra rahateo dia efa nanambara fa ho hentitra amin`ny ho fampiharana ny didy aman-dalàna manankery ka tokony hatao vaindohan-draharaha ny fanajana ny tsy fitongilan`ireo mpiasam-panjakana any amin`ny sehatra rehetra.

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT