Kianjan’ny 13 mey, ara-tantara, izay inoana fa tena izy sady ofisialy, dia kianja natao hitakiana fahamarinana, hitolomana amin’ny tsy rariny hatramin’ny taona 1972 ka hatramin’izao.
Ny zava-nisy anefa rehefa nanomboka ny taona 2009 dia niha nahery vaika ny fanakanana ireo vahoaka te hiady ho amin’izany tsy fahamarinana izany. Niezaka namerina ny hasin’ny kianja ihany ny filoham-pirenena nandalo farany teto nandritra ilay hetsiky ny depiote miisa 73 saingy rehefa resy tamin’ny fifidianana ny tenany dia maty momoka tampoka ilay fikasana hamelona indray ny demokrasia eto Madagasikara. Nirarakompana tato ho ato ny baomba mandatsa-dranomaso raha nikasa hitaky ny fahamarinana teo amin’ity kianja ity ireo vahoaka notarihin’ny K 25. Nosakanana hatrany na dia naneho foana fa fitakiana am-pilaminana hatrany aza no notontosain’izy ireo saingy voakorontan’ireo baomba mandatsa-dranomaso sy bala fingotra. Omaly kosa dia nalalaka ny famelan’ireo mpitandro ny filaminana ny fidiran’ireo mpiaradia amin’ny filoham-pirenena vaovao, Andry Rajoelina, hampiasa ity kianja malaza etsy Analakely ity. Rehefa tsy mitovy hevitra amin’ny tena ve izany dia sakanana na dia aty amin’ny tany demokratika aza ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.