Mibaribary enim-bolana aty aorian’ny fijoroan’ny governemanta fa mbola misalasala amin’ny fitondrana Malagasy ireo mpamatsy vola mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara. Raha ny fibosesik’ireo masoivoho
vahiny manatitra ny taratasy manendry azy ireo hiasa sy honina miaraka amin’ny fampanantenana mipoapoaka eto amintsika aloha dia efa ela no niainga ny fanarenana ny sehatry ny toekarena sy ny sosialin-dRamalagasy. Tsy izany anefa no zava-misy fa toa vao mainka miady amin’ny fahasahiranana sy ny tsy fahampiana andro aman’alina ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy. Raha jerena indray ny eo amin’ny lafiny fitantanana ny firenena amin’ny ankapobeny dia hita ho tena sahirana ny mpitondra fanjakana. Efa hita soritra ihany fa antony goavana tsy ahafahan’ny fanjakana Malagasy mihetsika firy ny olana ara-tetibola. Ny 75% mandrafitra azy io mantsy dia fanampiana avy any ivelany avokoa. Mbola mijanona ho tonom-bola avokoa moa hatreto ireo tarehimarika mahatratra hatrany amin’ny miliara amin’ny vola vahiny ho fanampiana an’i Madagasikara. Misy ihany ireo fanampiana maika mahakasika ny maha olona saingy ireo fikambanana tsy miankina vahiny no miandraikitra mivantana ny fitantanana izany. Azo adika tsotra ho tsy fisian’ny fahatokisan’ireo mpiara-miombon’antoka vahiny ny mpitondra Malagasy ve ny fihetsika tahaka izany sa tsy mbola tanteraka ny fepetra takian’izy ireo dia ny fampiharana manontolo ny tondrozotra mamoaka an’i Madagasikara amin’ny krizy ? Mila dinihana lalina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.