Efa tena tapaka tanteraka amin’ny zava-misy sa manao tsipaky ny miala aina ? Ireo no fanontaniana roa lehibe manitikitika ny mpanara-baovao ankehitriny manoloana ny fihetsik’ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana misy ankehitriny sy ny antokony ka mahalasa saina.
Na efa hita izao aza fa halohalika ny ranombary, terena hapetraka an-kolaka ihany ny lalàna efa nampiaiky ankolafy maro fa ahiana hiteraka korontana. Na dia efa hita hatrany am-boalohany aza fa tolona am-pilaminana tsy niharo fanakorontanana sy fandrobana notarihin’ireo depiote 73 manerana ny nosy dia mbola lazaina hatrany fa fikasana hanongam-panjakana. Niakatra matetika ny vidin-tsolika sy ny entana ilaina andavanandro saingy mbola sahy milaza ihany ny HVM sy ny mpiara-dia aminy fa efa miroso amin’ny asa fampandrosoana ny fitondrana. Efa vakiana fotsiny, araka ny fitenin-jatovo fa vahaolana mamono afo toy ny efa fanaon’ny fitondrana HVM hatramin’izay ihany ity fanondrotan-karama 8% mody nolazaina tamin’ny fetin’ny asa sy ity vary mora 800 ariary ity ny kilao kanefa dia mbola mirarakopana ny dokadoka sy fanasohasoana any anaty tambajotran-tserasera entina maneho fa miasa ny fitondrana. Adala ve izany ireo sehatra iraisam-pirenena mahita fa anisan’ny firenena 5 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany isika ary mbola ahiana hihemo-daharana aza ? Tena mitady fitoniana tokoa ve ny HVM sa inona no antony mbola maha avo vava ny sasany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.