Somary nahazo vahana teto an-drenivohitra tamin’ity herinandro ity ny famoahana mpianatra any an-dakilasy mandeha manatevina ny tolona tanterahin’ireo solombavambahoaka 73 mianadahy ho amin’ny fanovana eny amin’ny kianja 13 mey.
Raha araka ny resaka nifanaovana tamin’ireo mpianatra ny alarobia teo dia misy amin’izy ireo no efa mitokona tsy mampianatra intsony ny mpampianatra ao aminy fa mitolona ka mba manatevin-daharana ihany koa izy ireo. Mpianatry ny lisea ny ankamaroan’izy ireny. Misy ihany koa anefa ireo misy mamoaka noho ny resaka ambadika politika entina handotoana ny tolona. Eo an-danin’izay, araka ny fanazavan’ny maître Hanitra Razafimanantsoa, anisan’ireo solombavambahoaka avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara mpitari-tolona etsy amin’ny kianja 13 mey dia nilaza sy nanambara mazava ny tenany fa tokony hianatra ny mpianatra fa tsy mamonjy grevy. Misy andian’olona mahazo tombontsoa amin’ity grevy, araka izany, entina handotoana azy. Raha ny fantatra dia mampiasa vola mihitsy izy ireo entina hanatanterahana izany. Eo an-danin’izay anefa tsy azo hodian-tsy hita ny haratsian’ny voka-panadinana eto amintsika izay tsy mitsaha-mitotongana hatramin’ny nisian’ny fitondrana tetezamita no ho mankaty. Anjaran’ny tsirairay ny mandinika sy mieritreritra manoloana ny famotehana ny hoavin’ny zaza Malagasy tahaka izao, indrindra ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana azy ireny nefa mbola sakanana sy tsy avela handeha araka ny tokony ho izy indray.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.