Manoloana ireo tsindry maro izay voalaza fa mahazo ireo mpianatra eny Ankatso dia niverina nitety ireo masoivoho vahiny miasa sy monina eto Madagasikara izy ireo anisan’izany ny teny Andraharo misy ny foiben’ny Vondrona Eoropeanina
. Nisy hatrany ny fametrahana taratasy mba ahazoan’izy ireo maneho hevitra malalaka sy tsy misy teritery. Tsiahivina fa efa nanao izany izy ireo tamin’ny fotoana nitazonana an’i Berija tany am-ponja ary izao niverina izao indray. Mahatsapa mantsy izy ireo fa mbola misy hatrany ny tsindry hazo lena mianjady amin’izy ireo na dia eo amin’ny fizarana ireo trano fonenana vaovao natokana ho azy ireo ihany aza. Araka izany dia nilaza mbola hanao dingana hafa ihany koa izy ireo satria mahatsapa fa atao ankilabao sy notapenam-bava.
Tojo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.