Politique

MPANOHITRA Nahavita ny sata mifehy azy


  • Alatsinainy 08 Septambra 2014

Taorian’ny fihaonamben’ireo mpanohitra ny volana Jona lasa teo dia naharafitra ny sata mifehy azy izy ireo ahitana ny Manda ho an’i Madagasikara, ny TAMAMI…Ny Sabotsy lasa teo no nanoloran’izy ireo azy io tamim-pomba ofisialy ahitana fiteny miisa roa dia ny teny Malagasy sy ny teny Frantsay.

Nambaran-dRamatoa Lalatiana Ravololomanana fa izao no natao dia entina hametrahana ny lalàmpanorenan’ny mpanohitra izay tsy manana toe-tsaina hiady seza fa miandry ny fifandimbiasan-toerana ara-demokratika kosa. Tsy manohitra be fahatany ihany koa fa manolo-kevitra ny fitondrana misy hahafahana manarina ireo lesoka rehetra eto amin’ny firenena mba hipaka any amin’ireo vahoaka 22 tapitrisa ny tombontsoa azo avy amin’izany. Hiroso amin’ny fanapariahana ity sata ity, araka izany, ny mpanohitra ka anisan’ny toerana handehanan’izy ireo ny any Toamasina, Toliara, Antsiranana ary Mahajanga. Aorian’izay dia haroso sy hampahafantarina ireo vahiny miasa sy monina eto amintsika indray io sata io mialoha ny hanatanteraka ilay vovonana nasionaly, hametrahana ny rafitry ny fanoherana eto amintsika.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT