Niantso ireo olompirenena 48% tsy tonga nifidy omaly ry zareo avy eo anivon’ny hetsika ho an’ny vato fotsy na Mouvement vote blanc.
Araka ny fanentanana nataon’izy ireo tetsy Analakely dia mankahery ihany koa ireo efa nandrotsaka vato fotsy izy ireo hanohy hatrany ny ataony ary miantso ireo tsy tonga tamin’iny 7 novambra iny kosa mba ho tonga amin’izay amin’ny 19 desambra izao hifidy ary handrotsaka ny vaton’izy ireo ho an’ny kandida Vato fotsy. Nanafatra ireo kandida ho filoham-pirenena roalahy koa izy ireo fa rehefa tafapetraka eo amin’ny fitondrana ny iray amin’ireto mpifaninana ireto dia hanolotra volavolan-dalàna mikasika ny fanisana vato fotsy ity hetsika ity. Antony dia ny fiantraikan’ny habetsaky ny vato fotsy no misoroka ny krizy aorian’ny fifidianana. Tany Mongolie, ohatra, dia elanelam-bato miisa 200 no nahalany ny filoham-pirenena vaovao. Misy lanja be dia be eo amin’ny sehatra iraisampirenena iny, hoy izy ireo. Efa niaraha-nahalala fa tsy nanara-dalàna ny fifidianana, ratsy fanomanana ary tery vay mantan’ny fianakaviambe iraisampirenena saingy tsy nihodivirantsika ka ny mandrotsaka vato fotsy no mety indrindra. Nanomboka omaly moa ny fampielezan-kevitr’ity hetsika ity ary hitohy toy ny an’ireo kandida roa hafa ihany koa.
J. Mirija / Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.