Toy ny tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana ho filoham-pirenena ihany dia azo antoka fa vao mbola hitohivakana koa amin’ity fihodinana faharoa ity ny fanambarana isan-karazany mikasika fanohanana kandida iray amin’izy mirahalahy izay tafajanona farany.
Mbola vao taorian’ny valiny tsy ofisialy navoakan’ny CENI moa no efa nanomboka izany ary manomboka tsy mijanona hatramin’izao. Toy ny nisy tany aloha rehetra dia hiavaka indray ireo mpanohana tena izy sy ireo tsy mitady afa-tsy ny hahazoana toerana anatin’ny fitondran’izay lany eo na ilay hoe mamba seza, raha vantanina ny filaza azy. Iza no tena ho mendrika izay voambolana hoe “manohana” izay tokoa ka tsy miandry tambiny amin’ilay kandida izay hotohanany fa tena mamatsy amin’ny lafiny rehetra hampandany azy na ara-torohevitra izany na ara-pitaovana na ara-bola ? Iza kosa no tsy hanao afa-tsy ny hisolelaka eny an-jorony sy tonga amin’ilay fitenin’ny tanora hoe “miandry tataka fotsiny” fa tsy hita akory izay tena fanohanana mivaingana nentiny nampandaniana ilay kandida notohanany ? Samy hitsara azy ireny ny vahoaka sy ny mpanara-baovao ka dia ho hitan’ny havany eo, hoy ny fitenenana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.