Taorian’ilay fihaonana mivantan’ireo kandida ho filoham-pirenena 2 tonta ka hatramin’izao no nahitana fa resy lahatra amin’ny fandaharan’asan’ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana,
ny 90%-n’ireo mpanohana azy ary maniry hoavy mamiratra ho an’ny firenena raha toa ka taratra ho be nofinofy sy entanim-pankahalana ity filoham-pirenena teo aloha ity fotsiny kosa ny an’ny etsy Ankilany. Hetsika 2 samihafa izay samy nitranga tetsy Ambohijatovo omaly fotsiny dia efa azo itarafana izany. Nanao fihetsiketsehana nanohitra ny fanambaran’ny filohan’ny FTAR izay nanery an-kolaka ny mpikambana ao aminy hanohana ny kandida laharana faha-13, ohatra, omaly ireo mpitondra Taxi maromaro izay nanamarika fa tsy voavidy vola. Antony hanohananay an’I Dada, hoy izy ireo, dia azo tsapain-tanana ny zava-bitany efa nanomboka tamin’ny 2002 fa tsy vao izao. 30.000 ariary tamin’izany ny vidin’ny kodiarana fa ankehitriny efa 80.000. Zakan’ny olona maro tsara ny nandeha fiarakaretsaka rehefa milahatra ny taksibe. Tena hita ho nisy fiatrainkany tsara taminay, hoy izy ireo ny lalana namboarin’I Dada. Ry zareo vondron’olon-tsotra na VOT koa dia nanambara fa manentana ny olona hamita adidy ary hisoroka izay fihetsika sy adihevitra mety hiteraka korontana. Na ireo nitonona azy be tsy miteny na “majorité silencieuse” avy amin’ny MCI tsy nandatsa-bato ho an’iza na iza tamin’ny fihodinana voalohany aza tonga nanotrona ireo mpitondra fiarakaretsaka ihany koa ary niaiky fa ny kandida laharana faha-25 no afaka hanavotra ny toekaren’i Madagasikara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.