Sesilany ny fampihorohoana sy ny herisetra nialoha sy nandritra ary taorian’ny fifidianana natao teto amintsika, izay nahalasibatra ny kandida Marc Ravalomanana sy ny mpanohana azy.
Tany Morondava dia 6 desambra no nanafihana tao an-tranony an’Atoa Rivojaona Raherimihaja mpikambana anatin’ny Biraon’ny K25 ao Morondava, ary efa kandida depioten'ny antoko TIM tao an-toerana. Nokapaina famaky teo amin’ny lohany ihany koa i Said Allaoui ny 14 desambra tokony ho tamin’ny 4 ora raha avy natory tao an-tranon’i Rivojaona Raherimihaja raha saika handeha hanao fampielezan-kevitra any Belo ka teo am-piandrasana ny fiara no nandrasana kendritohina. Nodimandry izy na nialana nenina aza. Inoana fa tsy fifandrifian-javatra fa tena hetraketraka amin’ny K25 ireny satria satria samy mpanohana mahafatra-po an’I Marc Ravalomanana izy roalahy ireo. Olona no 2 maty voatifitra tany Ankazoabo nandritra ny andron’ny fifidianana mihitsy, ary nambara fa tsy misy hidiran’ny politika. Kolonely iray efa misotro ronono monina eny Mahitsy no voatafika, nofiraina ny sofiny, nototoana vodi-basy ny masony ary nofiraina ny tanany tany Mahitsy ny 21 desambra. Tany Tolagnaro indray dia teny an-dalana hamonjy fodiana i Ratovonony Tina Angelo no nisy notifirina teo amin’ny takibany ny 20 desambra tokony ho tamin’ny 2 ora maraina rehefa avy nanatitra ny ekipan’ny K25 nitondra voka-pifidianana tao amin'ny SRMV Tolagnaro. Teny Ambohdahy Ankadindramamy ny takarivan’ny latsa-bato tamin’ny 19 desambra, dia Dokotera iray eo an-tanàna, tsy mpanao politika fa manao ny asany ao amin’ny biraom-pifidianana no nalain’ny depiote MAPAR sy ny olona mpiaraka aminy. Nosavainy ny findainy ary nambanany basy ary lazainy fa hotoriany nanaovana vava be hoe: “alefako eny Tsiafahy ialahy androany”, hoy ny fitantaran’ny lasibatra. Teto an-drenivohitra no nahitana solombavambahoaka mivezivezy miaraka amina andian-dehilahy maro be maneho fihetsika miendrika fampihorohoroana mandritra ny fifidianana, mainka fa ny amin’ny faritra. Renivohitra aza misy an’ireny mainka fa any ambany ravin-kazo, ka mety hisy fiantraikany amin’ny voka-pifidianana sy manamora ny hala-bato ny fampihorohoana sy don-tandroka. Tany amin’ny faritra Anosy izao, dia manamboninahitra iray no nambaran’ny olona fa mandrahona fa hahita raharaha aminy raha tsy mifidy ny kandida 13,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.