Raikitra ny lohamboto sy bodongeron’ny MAPAR sy ny TGV, izay toa manamafy ny nambaran-dRajoelina hoe: “Isika efa zatra ady,
ary na inon-kidona na inon-kitranga isika tsy maintsy mandresy”. Mandeha ny karazana herisetra mivantana na ankolaka ataon’ny ekipan-dRajoelina amin’ny mpanohana an’i Marc Ravalomanana, ary saika ahitana an’izany amin’izao fotoana izao na ambanivohitra na an-drenivohitra. Nohetraketrahina sy nanaovana herisetra ny mpanao fampielezan-kevitry ny kandida Marc Ravalomanana omaly teny amin’ny Boriborintany faha-5 tahaka ny teny Amboditsiry. Ankoatra ny herisetra, dia toa efa tsara homana ny hetraketraka satria nisy karazana zavatra simika natoraka izay manaikitra maso sy manimba hoditra tamin’izy ireo, hoy ireo tanora niharan’izany. Depiote iray no ambaran’izy ireo fa mpaniraka sy tompon’antoka, ary marihina fa misy ny karazana fandemen-tsaina sy fanelezana tsaho amin’ny resaka tanin’olona ho votsotra eo am-pelantanany raha i Marc Ravalomanana no tonga eo. Teny Ambatofahavalo, tsy tapitra akory ny fampielezan-kevitry ny mpanohana ny kandida faha-25, dia efa miditra eo amin’ny toerana ary nanatatatata ny fanamafisam-peony ny an-kilany. Tsy nahatanty ny vahoaka fa nandroaka azy ireo dia nifampitana teo ka dia nanafatra olona 4 sprinters teo ho eo ny MAPAR, fa tsy niala ny vahoaka ka resy tosika no niafaran’ireo mpanakorontana lasa. Tany amin’ny faritra Anôsy dia manamboninahitra iray eo anivon’ny mpitandro ny filaminana no manao fandrahonana sy manery ny olona hifidy an-dRajoelina. Any amin’ny faritra Sofia, dia misy depiote iray manao fandrahonana mafy sy manery ny anay hifidy ny kandida laharana faha-13, ary raha lany i Marc Ravalomanana dia horoahiny avokoa ireo mpiavy, hoy ny fitarainan’ny mponina. Tahaka izany ihany koa ny any Befandriana Avaratra ataona olom-boafidy iray. Tany Malaimbady ihany koa ny zoma 7 desambra, dia manamboninahitra iray efa lasa olom-boafidy no tonga nanao fampielezan-kevitra kanefa nosiatsiahan’ny olona sy nialany tsikelikely, ka namoaka vava tamin’ny olona fa hoe: “Io anie na hifidy azy ianareo na tsia dia tsy maintsy io foana no lany eo”, hoy ny fampitam-baovaon’ny nanatri-maso. Ny fampiasana ny fahefam-panjakana sy teritery amin’ny lehiben’ny distrika, prefen’ny faritra,… tsy lazaina intsony, ary olona ambony eto amin’ny firenena no voatonontonona ho manery. Sanatriavin’ny vava ve ka efa don-tandroka hanakorontana sy hamerina ny tahaka ny tamin’ny 2009 indray izao raha tsy lany eo ? Tsy misy hanana tombontsoa amin’ny korontana sy ny savorovoro ary hitarafana ny fahendren’ny kandida ny fihetsik’izy sy ny ekipany amin’ny valim-pifidianana eo, fa ny hirariana dia ho lalao madio tokoa no hisy eo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.