Nitsangana sy nampahafantarina omaly 10 aogositra teny amin’ny Hotely Carlton Anosy ny vovonana politika antsoina hoe “Voromahery”
Vovonana miaro sy manohana an’i Hery Rajaonarimampianina, tarihin-dry Virapin Ramamonjisoa, Avoko Rakotoarijaona, Ntsoa Andriamifidimanana, Andry Raobelina, Lanto Rakotomavo,… Milaza sy manamafy fa nahavita zavatra toy ny fotodrafitrasa samihafa i Hery Rajaonarimampianina, ka mendrika hanohy ny ambara fa fampandrosoana nataony, ary mangataka ny filantsahan-kofidiany. Hotanisaina ireo ambara fa zava-nita amin’ny propagandy. Raha nanontaniana mikasika ny hoe noho ny HVM ratsy laza sy tsy azo hianteherana hahalany an-dRajaonarimampianina i Virapin Ramamonjisoa, dia nilaza fa misy foana ny komity mpanohana satria ny foto-kevitra mety tsy mitovy fa ny olona tohanana mety mitovy, ka amin’ity indray mitoraka ity, dia olona no hofidiana. Tsy hoe tsy mahatoky ny antoko misy azy, fa mety misy miteny hoe tsia raha ny antokony fa eny amin’ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hoy i Virapin Ramamonjisoa. Tsy tongatonga ho azy ny fisian’ity vovonana ity izay heverina ho endrika isehoan’ny disadisan’ny olona samy akaiky an-dRajaonarimampianina, ary karazan’ny mifanindry satria tao anatin’ny fotoana nanombohan’ny Kongresin’ny HVM omaly tany Antsiranana, izay mitohy anio no nisian’ity fanambaran’ny Voromahery ity. Resaka mandeha moa ny hoe tsy te hitondra ny lokon’ny HVM ny filoha ankehitriny. Eo anatrehan’ny resaka fifanenjehana mahazo an-dRajaonarimampianina, dia toa nahataitra ihany ny filazan’i Virapin Ramamonjisoa fa azo atao no manapoaka “casserole” fa miandry fotoana. Maro ny dosie maloto fa raha ny tena izy tokony nivoaka, ary ny ambaratongam-pahefana no tokony hanenjika an’ireny fa hatramin’izao tsy hataony, fa amin’ny propagandy kosa dia havoaka miaraka amin’ny porofo hoe ireto ny zavatra misy, hoy ity minisitra teo aloha ity. Tsara ny manamarika fa minisitra tamin’ny tetezamita izy ary nalefa Solontena maharitra tatsy amin’ny Nosy La Réunion. Afera maloton-dRajoelina sy ny tetezamita ve izany ireo hovakiana sa ny an’ireo akama ao amin’ny HVM na ireo efa niala tsy dia mitovy hevitra amin’izy ireo?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.