Nahoraka ho tsy nampifanara-tsaina ny avy eo anivon’ilay vondrona politika iray manohana ny filoham-pirenena teo aloha, Hery Rajaonarimampianina, na ny Voromahery ny tsy fanekena ny fampidirana ny resaka antoko Hery vaovao ho an’i Madagasikara na HVM tao anatin’ity vondrona iray ity
. Fikambanana iray hafa indray koa no nanambara fa hanohana ny kandida laharana faha 12 tamin’ny herinandro. Nomarihan’ity fikambanana ity anefa fa ny filoha teo aloha sy ny heviny no tohanan’izy ireo fa tsy ny antoko izay noforoniny akory. Tsy miara-miasa amin’ny HVM izahay, hoy ireto fikambanana ireto ary ny kravaty anaovanay aza mena fa tsy manga. Tsy mahazoazo ny HVM, araka izany, ireo vondrona samihafa manohana ny kandida Hery Rajaonarimampianina. Maivana ihany koa ny lasantsy hampahomby ny fampielezan-kevitr’ity filoha teo aloha ity rehefa dinihina ny savorovoro misy eo amin’ireo mpanohana azy hatramin’ny volana aogositra.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.