Nirehareha fatratra ny fanjakana tetezamita fa nahavita niasa na tsy nisy famatsiam-bola avy any ivelany aza. Satria betsaka ny tahirim-bola vahiny tamin’ny andron’i Marc Ravalomanana izay efa nahatratra hatrany amin’ny 2 miliara dolara, ka namatam-bonona ny mpanongam-panjakana.
Nisy ihany koa ny volabe 100 tapitrisa dolara avy amin’ilay orinasa hoe Wisco nitrandraka vy tany Soalala antsoina izay lasan’ny HAT tamin’izany. Ny tetikasa lehibe tahaka ny SE/CNLS Sida sy ny ONN izay nahazoana vola an-tapitrisany dolara dia lasan’izy ireo avokoa. Manginy fotsiny ny aferana boaderozy sy ny famarotana tanindrazana natomboky ny tetezamita, izay mbola mitohy mandrak’ankehitriny. Izany no nireharehana tao anatin’ny 5 taona, fa hoe afaka niasa na dia fambotriana sy fanaovana tantely afa-drakotra aza no natao. Lasa mpanefoefo avokoa izy ireo saingy tsy nisy nahavita nanangana orinasa ahafahana manome asa ny malagasy tahaka izao ataon’i Marc Ravalomanana amin’ny alalan'ny orinasa tiko AAA izao na iray aza, kanefa dia mbola misy ihany ny olona resin’izy ireo lahatra, saingy samy manana ny heviny tokoa, ka tsy hifanomezan-tsiny. I Marc Ravalomanana anefa sady avy sesitany 6 taona, nopotehina ny fananany rehetra, nohenjehana tamina fitsarana mitanila, nogadraina fa tsy nihemotra ary nanao politika mba hanavotany ny fireneny no sady manome ary mbola hanome asa ny olona. Maro amin’ireo olon’ny tetezamita no nirehareha tamin’ny fananan-karena azo tamin’ny fandrobana an’i Marc Ravalomanana sy ny fanaovana tantely afa-drakotra ny harem-pirenena saingy toa ihandronan’ny todin’ny natao, ka ity farany izay nopotehina indray no mamiratra noho ny fandalana ny rariny sy ny hitsiny ary ny fikirizana hatrany na tojo ny sarotra aza.
Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.