FIKIRAKIRANA

FIFIDIANANA


  • Zoma 06 Novambra 2026

Tsy atokisan’ny vahoaka intsony

ny Atitany sy ny HCC, hoy ny AVI
Mitaky fanavaozana lalina ny rafitra misahana ny fifidianana hoy ny Antoko AVI, mba hamerenana ny fitokisan’ny olom-pirenena sy hiantohana ny fifidianana mangarahara, marina ary eken’ny rehetra. Anisan’ny olana lehibe tsy azo odian-tsy hita amin’ny fanomanana ny fifidianana eto Madagasikara, raha y fahitan’ny antoko AVI azy ny fahabangana eo amin’ny fitokisan’ny vahoaka ireo andrim-panjakana mandray anjara amin’ny fikirakirana sy ny fitsarana ny fifidianana, indrindra ny Ministeran’ny Atitany sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC). Tsy ampy intsony ny filazana fa ara-dalàna ny dingana arahina. Ilaina ny rafitra tena mahaleo tena, mangarahara ary ahafahan’ny olom-pirenena sy ny mpisehatra politika manara-maso ny fizotry ny fifidianana.
CENI MIOVA SATA
Manoloana izany, ny AVI dia manolotra fanavaozana ny Lalàna laharana 2015-020 momba ny CENI sy ny Lalàna organika laharana 2018-008 momba ny Fitondrana Ankapoben’ny Fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka. Anisan’ny soso-kevitra lehibe ny fanovana ny satan’ny CENI ho fahefana ara-pitantanana mahaleo tena, ny fanamafisana ny fahaleovantenany ara-drafitra sy ara-bola, ary ny fanatsarana ny firafiny mba hisian’ny fifandanjana sy ny fandraisan’anjaran’ireo mpisehatra politika. Tokony hohamafisina ihany koa ny mangarahara amin’ny lisitry ny mpifidy, ny fanaraha-maso ny biraom-pifidianana, ny fanisana sy ny fampitana ny vokatra, ary ny fahafahan’ny kandidà sy ny solontenany mahazo ny antontan-taratasy ilaina amin’ny fanaraha-maso.
FAHATOKISANA NY FITSARANA
Mikasika ny HCC kosa, tsy maintsy hamafisina ny fahatokisana ny fitsarana ny fifidianana, amin’ny alalan’ny fitsipika mazava, ny fahafahana mitsara amim-pahaleovantena ary ny fanajana ny rariny sy ny fitovian-jo. Ny volavolan-dalàna natolotry ny AVI dia manamafy fa ny fanambarana farany ny vokatra dia andraikitry ny fahefana ara-pitsarana mahefa. Ho an’ny AVI, tsy tokony hisy andrim-panjakana iray hahazo fahefana tsy voafehy amin’ny fizotry ny fifidianana. Ny fifandanjan-kery, ny fanaraha-maso ary ny mangarahara no antoka lehibe hiadiana amin’ny ahiahy sy ny fifandirana aorian’ny fifidianana. Noho izany, tsy tokony hijanona amin’ny fanangonana hevitra fotsiny ny "dinika" izy natao. Tokony hitarika amin’ny fanapahan-kevitra mazava sy fanavaozana tena izy, ka ny soso-kevitra rehetra dia hodinihina amim-pahamarinana ary hazavaina ampahibemaso izay noraisina sy izay tsy noraisina.
HAJAINA NY FE-POTOANA
Mazava ny fijoroan’ny AVI: tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny fe-potoana izay napetraky ny mpitondra ny fanomanana ny fiverenana amin’ny rafitra demokratika, ary tokony hotanterahina amin’ny taona 2027 ny fifidianana, araka ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika. Tsy ny fifidianana fotsiny no tanjona, fa ny fanatanterahana fifidianana tena atokisan’ny vahoaka. Satria ny demokrasia dia tsy refesina amin’ny fisian’ny vata fandatsaham-bato, fa amin’ny fahatokisan’ny olom-pirenena ny fahamarinana sy ny fahaleovantenan’ny rafitra mikarakara azy.
Nangonin’i RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Dany Rakotoson
  • Zoma 06 Novambra 2026

«Tsy faritantsika ny lalan-kizorana»

  • ZAFIVAO
  • Zoma 06 Novambra 2026

JEAN LOUIS

  • Vondrona
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

politika hafa miray

  • Fitsaràna avo
  • Alakamisy 05 Novambra 2026

momba ny lalàmpanorenana

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

Hijery ny tohiny
FTT