Noraisina ny fangatahana
hanao fitsapan-kevi-bahoaka
Nilaza mazava ny HCC na ny Fitsaràna avo momba ny lalàmpanorenana, araka ny fanapahan-kevitra navoakan'izy ireo omaly, fa azo raisina ny fangatahan'ny filohan'ny fanavaozana, ny Kolonely Michaël Randrianirina, mahakasika ny fanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka alohan'ny fifidianana filoham-pirenena. Tsy mifanohitra amin'izay voalazan'ny lalàna ny fanatanterahana ny fitsapan-kevi-bahoaka, hanovàna lalàmpanorenana, alohan'ny fifidianana filoham-pirenena, hoy ny HCC. Hatreto, adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara hatrany ny mikasika an’io resaka fitsapan-kevi-bahoaka io. Isan’ny voatsikera mafy izany, ohatra, tamin’ny alalan’ny filazàna ireo herivelona samihafa fa tsy mety intsony ny fomba mahazatra hatramin’izay dia ny resaka fanekena fotsiny amin’ny hoe Eny na Tsia. Sosokevitra matetika fandre kosa, etsy ankilan’izay, ny filàna fifidianana lalàmpanorenana mihitsy toy ilay ankalazaina fatratra hoe federalisma sa fanjakàna tokana? Isan’ny sosokevitra koa nefa ny hoe tokony lalàmpanorenana maro mihitsy no isafidianan’ny vahoaka malagasy manontolo, raha ny angom-baovao hatrany.
Nangonin’i J. Mirija
Sary tahiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.