Gérard

Ramamimampionona


  • Zoma 06 Novambra 2026

Fiombonana no ho zava-baovao hanavotra eto»

Fanao manerantany rehefa avy miatrika hetsika toy ireny niainantsika ny 25 septambra 2025 ireny mba hahafahana miampita amin’ny ara-dalàna, satria somary niala an’izay isika izao rehefa tsy nahavita fotoam-piasàna hatramin’ny farany ny filoham-pirenena nisy teo, hoy ny mpahaifiarahamonina sady filoha lefitry ny Filankevitry ny fampihavanana malagasy na CFM teo aloha, Gérard Ramamimampionona, dia mila miditra amin’ny atao hoe fikaonandoham-pirenena. Iny no lalana, hoy izy. Efa nisy zavatra notanterahina betsaka ary misy rafitra goavana ara-pinoana iray eto amin’ny tany sy ny firenena nomena fahefàna, tohana, fiofanana hitarika izany. Mampanontany tena eto hoe misy fikenonkenonana sa fitarazoana sa fanakantsakanana izy ity? Lasa mitady lalana hafa handehanana mialohan’ny fotoana indray isika izao dia hoe hanao fitsapan-kevi-bahoaka fa tsy izay fakàn-kevi-bahoaka izay. Ny fikaonandoham-pirenena izany nefa hakàna ny hevitry ny vahoaka mihitsy fa tsy hoe hisy hevitra ho aroso fotsiny dia tsapaina amin’iny ny hevi-bahoaka. Mila mametra-panontaniana tsara isika manoloana ny toe-draharaha hoe ny vahoaka ve no tokony hanome ny heviny sa misy hevitr’olona dia anontaniana an’izay ny vahoaka? Ekena hoe misy ny lalàmpanorenana fa tsy avy amin’ny hetahetam-bahoaka ihany ve izany raha ny tokony ho izy? Mila atao anaty fahamarinana sy filaminana ary fahamasinana ny lalàna eto. Somary manary lanja ny tena hasin’ny vahoaka, dia ilay fokonolona, ilay ohatran’ny fanao taloha hoe asaina mamaly «Eny» na «Tsia» fotsiny ilay vahoaka. Tsara ho fantatry ny rehetra ny tena kendrena anatin’ny atao hoe fitsapàn-kevi-bahoaka. Zava-dehibe amin’ny fanavaozana sy fanorenana ny hoe ny vahoaka mihitsy no manome ny heviny ho tanterahin’izay olona mitondra. Ilay eny sy tsia fotsiny efa nisy teto amin’ny firenena ary niteraka fisaraham-bazana foana hoe ireto no manohana dia ireto no manohitra. Fampiombonana ny malagasy no afaka hanorina firenena eto nefa. Ny fiombonana no ho zava-baovao hanavotra eto. Tsy mbola nisy fiombonana lavitry ny fitiavan-tena sy fahefàna teto. Izay lalana izay no tokony ho tadiavintsika eto fa tsy nety hita izany nanomboka tamin’ny 1947 ka hatramin’izao fa dia resaka mpomba sy tsy mpomba foana no teto. Tolona ho an’ny fiombonana no tokony ho tolona goavana atao eto fa tsy mety ravantsika mihitsy ny fisaraham-bazana. Tsy afaka hanorina firenena anaty fisaraham-bazana isika. Rehefa zavatra na rafitra na hetsika ho atao no mety hiteraka fisaraham-bazana dia mbola tsy afaka hanorenana sy hanavaozana firenena ho amin’ny fampiombonana sy hahafahany mijoro tsara akory. Efa niainana teto foana ny Eny sa Tsia fampanekena vonona vahoaka fotsiny, sanatria, toa zaza, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Tarzan Ndremitsara
  • Zoma 06 Novambra 2026

«Lalàna nofidiana

  • Minisitry ny sersera
  • Zoma 06 Novambra 2026

sy ny DG ORTM

  • RAHARAHA
  • Zoma 06 Novambra 2026

BOEING 777

  • Vondrona Eoropeanina
  • Zoma 06 Novambra 2026

Manohana an'i Madagasikara

  • Fanondranana litisia 2026
  • Zoma 06 Novambra 2026

«Tapitra hatreo ny ampihimamba ! »

  • Diplaomasia
  • Zoma 06 Novambra 2026

LIU Wei no ambasadaoro

Hijery ny tohiny
FTT