Tarzan Ndremitsara

«Lalàna nofidiana


  • Zoma 06 Novambra 2026

tamin’ny karnem-pokontany io ka mila amboarina»

Ny resaka fitsapàn-kevi-bahoaka nambara ho neken’ny HCC dia mety mbola mila fanazavàna misimisy kokoa satria ny fanaontsika hatramin’izay dia fitsapàn-kevi-bahoaka na «referendum», hoy ny mpamakafaka politika, Tarzan Ndremitsara. Aorian’ny fifampiresahana, hoy izy, no mety ho voafaritra mazava hoe izay tokoa ve ilay hoe atao sa fifidianana lalàmpanorenana? Tsy manohitra lalàna koa ny fanaovana izany mialohan’ny fifidianana hafa rehetra. Fototra ijoroan’ny firenena ny lalàmpanorenana. Efa hita fa tsy mahomby ny lalàmpanorenana 2010. Efa hita fa lalàna nofidiana tamin’ny karnem-pokontany io ka mila amboarina. Efa hita ny lesoka tamin’io ka mbola tsy ahintsy kosa ve? Lojika ny filohan’ny fanavaozana raha naka ny hevitry ny HCC. Zava-dehibe koa ny fandraisan’ny HCC an’ilay izy. Ny serasera no mila hatsaraina hanazavàna amin’ny olona hoe mbola misy fifampidinihana io. Raha hanao fifidianana lalàmpanorenana isika mety mbola tsy haintsika akory hoe lalàna miisa firy no ho resahina anatin’izany. Ankoatran’ny resaka rafitra tokana sy federaly mety mbola hisy hiresaka rafitra nentin-drazana na ara-pivavahana. Tsy ho androany mihitsy no ho tapaka hoe hanao fitsapàn-kevi-bahoaka momba ny inona isika. Tsy maintsy hifampidinihana ny ho ao anatin’izany. Na izany na ilay fifidianana lalàmpanorenana dia ilàna fikaonandoham-pirenena avokoa. Eo koa ny dinika politika izay tsy azo adinoina hoe manana ny toerana misy azy foana ary tsy mifanipaka amin’ilay fisiana fikaonandoha. Ny fikaonandoha hanaovana fitakiana kanefa raha vao tsy misy politika matanjaka hanohanana ilay fitakiana dia hiverimberina eto foana isika. Raha tsy misy fanjakàna «force de proposition» na hery mpanohana hevitra ao dia ho sarotra koa ny fanatanterahana. Mila mazava ny serasera momba ny daty hoe inona no fifidianana mandeha voalohany? Tsy maintsy misy fifampidinihana tokony handeha izany aloha hamaritana an’izay. Tsy ho vondron’olona fotsiny na manam-pahaizana fotsiny no hiteny an’izay fa tsy maintsy misy teny hieràna amin’ny solontena manerana ny nosy izay. Mila mifampidinika ny tiantsika hahatongavana dien’izao isika dia jerena koa hoe inona no lojikana lalàna mifanaraka amin’izany? Mifanaraka amin’ny tekinolojia amin’izao sy ny fanatontoloana koa ve? Entanina hanao izany avokoa na fiarahamonim-pirenena na sendika na fikambanana sy izay mety ho rafitra afaka efa manomboka izany izao. Efa zava-dehibe sy dingana iray ny hoe samy sarotiny amin’ny harem-pirenentsika isika. Tokony hazavaina dien’izao, raha hiatrika fifidianana lalàmpanorenana isika, ohatra, ny hoe inona no maha samihafa ny «autonomie provinciale» na faritany mizaka tena sy «autonomie financière» na fahaleovantena ara-bola? Toy izany koa ny resaka federalisma sy fanjakàna tokana na «état unitaire». Isany koa ny hoe raha hiditra amina fanjakàna miankina amina finoana dia ahoana? Fotoana hiadian-kevitra amin’izany rehetra izany izao mba hahitantsika an’izay tena maha resy lahatra ny rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Gérard
  • Zoma 06 Novambra 2026

Ramamimampionona

  • Minisitry ny sersera
  • Zoma 06 Novambra 2026

sy ny DG ORTM

  • RAHARAHA
  • Zoma 06 Novambra 2026

BOEING 777

  • Vondrona Eoropeanina
  • Zoma 06 Novambra 2026

Manohana an'i Madagasikara

  • Fanondranana litisia 2026
  • Zoma 06 Novambra 2026

«Tapitra hatreo ny ampihimamba ! »

  • Diplaomasia
  • Zoma 06 Novambra 2026

LIU Wei no ambasadaoro

Hijery ny tohiny
FTT