Ravao ny andrim-panjakàna be kolikoly!»
Nampahafantatra ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ankehitriny ny VPHM na Vondrona politika hafa miray nandritry ny fivorian’izy ireo tetsy Ampasampito omaly. Tamin’io fotoana io ihany koa no nanoloran’izy ireo ny sosokeviny ho famahana ny olana misy eto amin’ny firenena, raha ny fampitàm-baovao voaray. Isan’ny sosokevitra naroson’izy ireo ny fanavaozana ny rafitra hitantanana ny firenena sy ny fitantanana tsy nahomby hahafahana manorina rafitra vaovao maharitra. Heverinay, hoy izy ireo, fa ny fampihavanam-pirenena marina no isan’ny fototra lehibe mampihena ny krizy politika, ankoatran’izay, no sady hampiverina ny fifampitokisan’ny samy malagasy. Tsy tokony ho kabary sy fampanantenana politika fotsiny izany fa miorina amin’ny fifanakalozan-kevitra sy marina, tsy fifanamelohana, fanajàna zon’olombelona. Ao anatin’izany koa no tokony hampiharana ny sata mifehy ny gadra politika sy ny fifanekena mahakasika ny fampihavanam-pirenena ary handinihana ifotony ny tomponandraikitra amin’ny tsy fampiharana ireo fifanekena ireo. Tsy azo ihodivirana koa ny olana mahakasika ireo andrim-panjakàna heverina fa mila fandravàna sy fanavaozana noho ny kolikoly. Ny tanjona dia ny hananganana andrim-panjakàna azo itokisana, mahomby, miasa ho an’ny tombontsoam-bahoaka. Manan-danja lehibe ankoatran’ireo ny kolontsaina ka ilaina ny manohy ezaka hampiroborobo ny kolontsaina malagasy, ny fampahafantarana azy eo amin’ny sehatra iraisampirenena, ny fiarovana ireo harem-bakoka izay lova sarobidy tokony hifindra amin’ny taranaka fara-mandimby. Ankasitrahana ny ezaka ataon’ny filohan’ny fanavaozana amin’ny fanandratana ny teny malagasy sy ny fitafy nentim-paharazana ho mariky ny fanajàna ny hasin’ny kolontsaintsika. Fandraisana anjara amin’ny fitadiavana vahaolana maharitra no tanjon’ny VPHM. Tanjona fototra ny hampihena krizy politika, hitondra fifanarahana eo amin’ny hery politika sy ny samy malagasy, hiantoka ny demokrasia sy fampihavanam-pirenena eto Madagasikara. Antsoina ny herivelona politika mitovy fijery amin’ny VPHM hifanatona, hifampidinika, hiara-hientana amin’ny fijerena izay mahasoa ny firenena. Ny tombontsoam-pirenena no tokony apetraka ho lohalaharana. Ny fifampiresahana sy fiaraha-mientana no lalana ahafaha-mitady marimaritra iraisana sy manorina hoavy milamina kokoa ho an’ny taranaka ankehitriny sy hoavy. Avaozina ny rafitra politika sy fitantanana tsy mahomby hananganana rafitra vaovao eken’ny rehetra. Ampiharina ny fampihavanam-pirenena marina. Ampiharo ny sata mifehy ny gadra politika! Ampiharo ny fanekena mahakasika ny fampihavanam-pirenena! Isany ny fijerena ifotony ireo tomponandraikitra tsy mampihatra izany. Ravao ny andrim-panjakàna be kolikoly! Mila avaozina koa izany. Tohizo ny fanandratana ny kolontsaim-pirenena eo amin’ny sehatra iraisampirenena, hoy hatrany ny nambaran’ny Vondrona politika hafa miray!
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.