Ho lasa hirika ahafahana mikitika governemanta ?
Vaovao nisongadina ho an’ny omaly ny fametraham-pialan’ny Minisitry ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny Paositra, ary ny fifandraisan-davitra Atoa Mahefa Andriamampiadana. Nambara ofisialy, fa noho ny antony ara-pahasalamana, izay tsy hahafahany manohy ny andraikitra sahaniny intsony. Andrasana izay tena ho solony, fa minisitra misahana departemanta Ministerialy hafa aloha izany no mandray ny andraikiny vonjimaika, izay efa fanao eto amintsika. Tsy maintsy hisy fanendrena raha ny lojikany, na ho ela na ho haingana. Ara-politika, mety ho hirika iray ahafahana mikitika na manova ny mpikamban’ny governemanta io, na nambaran’ny Praiminisitra Rajaonarison Mamitiana iray volana katroka anio aza tsy mbola misy eritreritra hanova sy hikitika governemanta, ary ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika no tompon’ny teny farany. Vao tsy ela ihany koa ny PRRM Randrianirina Michael no nilaza ampahibemaso fa tsindry amin’ny tambajotran-tserasera no hanovana na handravana ny governemanta. Na izany aza, politika sy Firenena no resaka, ary mety miova isan’andro ny toe-javatra misy, ka ny zava-miseho toy ny fametrahana fialana tao anatin’ny governemanta tahaka io miseho io ohatra, dia mety ho hirika mitondra makany amin’ny fanapahan-kevitra lehibe. Raha ho an’ny governemanta, ekena fa samy maneho fa miasa, samy maneho ezaka,… saingy mety misy ny mahavita bebe kokoa, mety misy ny somary tsy dia hita taratra na tsy ampy ny fahombiazany,… Rehefa tsy maintsy hanendry minisitra vaovao iray ihany dia lojika ny mety hanavaozana ny hafa izay tsy midika fa tsy mahavita fa azo atao ny manatsara. Ny Filoha moa no tompon’ny teny farany. Andaniny, mety misy ihany koa ireo lafin-javatra mety ho avy ato anatiny, mety ho mifandraika amin’ny toe-draharaha iraisantsika amin’ny sehatra iraisam-pirenena,… mety hitondra makany amin’ny fanapahan-kevitra lehibe tsy ampoizina na koa mety efa hitahita taratra ihany. Miankina amin’ny tsio-drivotra politika izany rehetra izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.