Lasa misy fangatahana roa samihafa
izany izao eto amin’ny firenena, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Ny iray avy amin’ny fitondràna fanavaozana, hoy izy. Ny iray avy amin’ireo nitolona. Lasa tsy mifanaraka intsony ireo. Ho an’ny olona nitolona dia mazava be hoe hanao fikaonandoham-pirenena dia hamaritra hoe Madagasikara toy ny ahoana no tiantsika afaka 5, 10, 20, 50 taona? Hametraka ny politika rehetra mifanaraka amin’izay izany no tanjona ho tonga any amin’ny lalàmpanorenana sy fifidianana hahatrarana izay lalana tiana hizorana izay. Ny fitondràna indray rehefa navelan’ny HCC hanao fanavaozana dia tsy avy hatrany hoe tonga dia izay no nataony fa lasa nandray andraikitra toy ny filoham-pirenena lany. Nankany ivelany dia nanapaka zavatra be dia be. Misy dikany foana nefa ny hoe olona nandalo fifidianana eo amin’ny sehatra iraisampirenena na eo amin’ny resaka fahazoam-bola fotsiny aza satria ny olom-boafidy rehefa mazava tsara ny drafitr’asa apetrany ka hita ny hifampatokisana dia maro ny firenena hanampy ara-bola anao. Tsy maintsy hiditra amin’ny fifidianana izany ny fitondràna ankehitriny. Tsy natao mihitsy anefa ilay fikaonandoham-pirenena. Fikaonandoham-pirenena eto no resaka fa tsy fikaonandohan’ny FFKM. Tsy resaka hoe mafy ny tsindry iraisampirenena io fa resaka lojika tsy maintsy izorana rehefa tsy nandalo fifidianana. Ianao rehefa eo nefa tsy nandalo fifidianana dia olona mpanararaotra no mety hanome vola anao amin’izao fotoana izao fa tsy ilay vonona hampandroso marina. Rehefa tsy voahaja ny fifanekena tamin’ny oktobra 2025 dia izay foana no hitranga satria tsy faritantsika ny lalan-kizorana. Tokony voafaritra voalohany hoe ho any Fianarantsoa isika, ohatra, dia ato sy ato izany no lalana fa tsy hoe eny an-dalana mbola mifanontany hoe ho any Morondava sa ho any Toamasina, hoy hatrany ny tenany?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.