Somary mangina ny mpanelanelana iraisam-pirenena raha oharina tamin’ny krizy 2009.
Hatreto dia ny SADC aloha no re feo fa hanatanteraka fanelanelanana eto Madagasikara. Fantatra ihany koa anefa ny tsy faneken’ny depiote mpitolona sy ireo antoko politika ary ireo mpahay toekarena maromaro nanao fanambarana ny amin’ny tsy tokony hitsabahan’ny vahiny amin’ny olana politika misy eto Madagasikara. Izany rehetra izany koa no mety ho antony mampangina ny sehatra iraisam-pirenena satria tsy te ho tompon’andraikitra amin’izay zavatra mety ho avy eo indray izy ireo. Iaraha-mahalala ny vokatry ny “ni…,ni..” nataon’ny SADC tamin’ny 2013 fa tsy nitondra fampitoniana ara-politika ary mainka nampahantra ny Malagasy. Hatreto dia ny fampihavanana ataon’ny FFKM aloha no tena ankasitrahan’ny maro izay nanao fanehoan-kevitra. Fa ankoatr’izay dia misy ihany koa anefa ny mpanelanelana hafa izay Malagasy ihany tahaka ny CFM. Fa ny tsikaritra aloha hatreto dia tsy mbola nanao fanambarana hanelanelana ireo vondrona iraisam-pirenena hafa ankoatry ny SADC. Mitodika any amin’ny vahaolana avy amin’ny samy Malagasy izany aloha ny sary hitondrana ny famahana ny krizy ary tokony hivaha haingana ny olana satria milaza ho tia tanindrazana daholo ny rehetra.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.