Tsy vaovao maneran-tany ary efa nitranga teto Madagasikara hatrany koa ny fisiana mpanaraby sy mpanatsatso ny tolom-bahoaka.
Maro izany nandritry ny tolon’ny fiovana nanomboka ny 21 aprily tetsy amin’ny 13 mey Analakely teo. Eo ihany ny rahom-bavan’ireo tsy mankasitraka ny tolona saingy nandeha ihany ny nandeha, hoy ny fomba fiteny ankehitriny. Nolazaina ho tsy nahazaka olona ilay tolona kanefa niaraha-nahita hatrany tato ho ato ireo hetsika nokarakarain’ny mpanara-dia ny fitondram-panjakana na teny Mahamasina na teny Antsonjombe fa ngazangazana hatrany. Fiantombohan’ny fankalazana ny fetim-pirenena ny 3 jona teo teny Antsonjombe saingy zara raha nisy namaly antso na dia nohafanaina mpanakanto malaza aza. Nankaiza daholo ireo tsy nankeny ? Tsy maintsy ho lojika foana fa hiara-kisitraka ny tombon’ny tolona tontosa ihany avy eo ny vahoaka ary mety ho lohalaharana mihitsy aza angamba ireo tsy mbola nanitsaka na dia in-dray mandeha ny Parvis Analakely. Mbola hita ho lavitra ezaka ny fitaizana ho olom-pirenena tomponandraikitra eto amintsika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.