Iray andro tsy higadonan`ny fifidianana fihodinana faharoa dia miantso amin`ny filaminana mialoha, mandritra ary aorian`ny fifidianana ny firenena mikambana, ny Vondrona Afrikanina, ny SADC ary ny OIF ary manao tohivakana ny fitsidihan`ny avy amin`ny iraisam-pirenena maneho ny fahavononany hiara-kiasa amin`i Madagasikara hanara-maso fifidianana.
Ao anatin`ny fiatrehana ny fihodinana faharoa izao dia tonga eto an-toerana ny iraky ny vondrona afrikanina Ramtane Lamamra sy ny iraka manokana amin`ny firenena mikambana, Abdoulaye Bathily ka samy noraisin`ny Filoham-panjakana, Rivo Rakotovao, tao amin`ny lapan`Ambohitsorohitra omaly. Nanamafy ny fanohanan’ny vondrona ny dingana demokratika izay lalovan’ny firenena malagasy amin’izao fotoana. Mipetraka ho mpanara-maso ny Vondrona Afrikanina ary mitandrina ny fampanajana ny lalàna rehetra na ny eto an-toerana na ny eo amin’ny firenena afrikanina. Nihaona tamin`ny filoham-panjakana ihany koa ny solontenan`ny sekretera jeneralin`ny firenena mikambana ka vontoatin`ny fihaonana ny fifidianana ary vonona hifarimbona amintsika amin`ny fiatrehana izany. Tanjona, hoy Rivo Rakotovao, filoham-pirenena mpisolo toerana, ny havitan`ny fifidianana madio eken`ny rehetra amin`ny alarobia 19 desambra ary anisan`ny tanjona lehibe natsidik`ireo vondrona iraisam-pirenena ny fifidianana madio mba haneken`ny rehetra izany. Ao anatin`izay fiatrehana fifidianana izay ny fanajana ny safidim-bahoaka ary izy ireo dia hiaraka hifarimbona amin`i Madagasiakra amin`ny fanatrarana ny tanjona, hoy ny filoham-panjakana. Vonona hanara-maso ary hijery izay mety ho lesoka sy tsy fanarahan-dalàna kosa ny eo anivon`ny SADC raha ny nambaran`ny solontenany. Nomarihany fa tsy afa-misaraka amin`ny tsy fahatomombanana maro samihafa ny fifidianana saingy azo sorohana mba ho tena mangarahara. Ny vondrona iraisam-pirenena miteny frantsay (OIF) kosa dia manamafy fa ny fahafahan`ny vahoaka maneho ny safidiny no zava-dehibe. Notsindriny ihany koa ny tokony handehanan`ny rehetra hanefa ny adidiny amin`ny fifidianana. Fifidianana madio mangarahara, eken`ny rehetra ary ny hisian`ny filaminana no tanjona, hoy ireto mpanara-maso vahiny ireto fa kosa tsy midika akory hoe mitsabaka ny raharaham-pirenena raha manara-maso ny fanatontosana fifidianana. Tsikaritra omaly alatsinainy moa fa nanompana ampaham-potoana misimisy ihany niresahana ny fifidianana filoham-pirenena eto Madagasikara sy ny adihevitr’ireo kandida roa ny haino aman-jery Frantsay France 24.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.