Politique

Mpanara-dia ny HVM Lany andro amin’ny fanaratsiana


  • Sabotsy 05 Mey 2018

Any anaty tambajotran-tserasera sisa no ahitana ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-dia ny antokon’ny fitondrana na ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara.

Taorian’ilay diaben’ny fisandratana nijolofotra tetsy Mahamasina ny 8 aprily teo dia nangina tanteraka ny antoko ary na mamory olona any amin’ny faritany aza dia mbola any anaty efitrano koa no hanatontosany izany. Hatramin’izay namory vahoaka teny an-kalamanjana fa noho ny hita ankehitriny fa tsy hahatoraka firy intsony na dia hividy mpanatrika toy ilay farany teo indray aza dia ny miala bala fa hoe manaraka ny fitsipika ka tsy mampitangorona olona eny an-dalambe no mody atao. Nahitana izany ny fivorian’ny antoko tany Ambositra farany teo. Tena manara-dalàna tokoa ve sa nanam-petra ny herin’ny vola ? Lazaina ihany koa ankehitriny fa ny fitondrana misy amin’izao dia mampanjaka ny fahalalahana. Porofon’izany ny hetsika mitranga etsy Analakely nanomboka ny 21 aprily teo. Ny fitondrana no mampanjaka fahalalahana sa ny mpitandro ny filaminana no efa tonga saina ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT