6 andro sisa dia ho tonga ny datin’ny 19 desambra. Fotoana farany hanapahan’ny vahoaka Malagasy ny tena tiany hitondra azy.
Raha 36 ireo nalahatra hofidiana ho filoham-pirenena tamin’ny 7 novambra dia roa lahy sisa no hamarana azy. Nanova tampoka tsy araka ny kajin’ireo mpanao politika mpanenjika seza sy sakaizan’ny mpandresy hatrizay izy ireo raha faritana tsotsotra. Miavaka tsara ankehitriny ny firehana politika misy entin’ireto kandida mianaka ireto. An-daniny, ny kandida Marc Ravalomanana, izay hita ho matotra sy tony fihetsika ary miezaka ny maneho ny maha demokraty azy hatrany. Efa hita tao anatin’ny 7 taona nitantanany firenena sy ny 3 taona nitondrany ny tanànan’Antananarivo ny traikefam-pandreseny lahatra ireo mpiara-miombon’antoka vahiny mba hisiana zara-mira tsy misy fatiantoka. An-kilany, ny kandida Andry Rajoelina, na efa nilaza ny tenany ho niova aza ary miezaka ny mampivoitra toe-tsaina sosialista dia hita ihany ny mbola maha tanora fanahy azy. Toetra hita hikambanan’izy mianaka ireto kosa anefa dia izy samy sahy manongotra ireo mpiara-miasa aminy amin’ny toerany rehefa misy tsy hifanarahana eo amin’ny fomba fiasa. Ho sahirana manomboka eto, araka izany, ireo mpanao politikan-tseza raha vao tsy mahay mamindra. Nisy vitsivitsy aza moa mbola ao anatin’izao fampielezan-kevitra izao no efa nidona tamin’ny tolana sahady satria nitady hovakiana fotsiny, araka ny fitenin’ny tanora, ny tiany hahatongavana. 2 minitra dia vita ny resaka. Ny hirariana dia ny mba hihenan’ireto antoko politika an-jatony eto amintsika eto ireto amin’izay ka tsy hisy afa-tsy firehana politika 3 toy ny any amin’ireo tany mandroso sisa eto amintsika. Maninona hifandrombahana ny manao politika aty amina tany fadiranovana toy itony kanefa any amin’ny firenen-dehibe hitsoahana ? Samy fitantanana sy fanasoavana firenena izao ihany anefa no resaka. Maninona no any amin’ireo firenena vitsy mpanao politika indray no mandroso lavitra ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.