Maro no manao kajina seza taorian’ny fivoahan’ny valim-pifidianana ofisialy, ka nilazan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa i Andry Rajoelina no voafidy ho filoha.
Na MAPAR io na avy amin’ny vondrona politika hafa, eny fa na ireo nanenjika an-dRajoelina aza, dia maro no efa misarizoro sy manao pi-maso aminy. Tsy miova mihitsy ny mpanao politika Malagasy. Miovaova foto-kevitra fa te hanao sakaizan’ny mpandresy hatrany satria te hahazo seza sy fahefana ka na hivarotan-tena ara-politika aza tsy olana. Na ireo mpiara-dia amin’i Andry Rajoelina aza dia ahiana hifandrirotra na efa misy ny ady mangatsiaka. Andrasana izay mety ho firafitry ny governemanta sy ireo toerana samihafa toy ny ao amin’ny fiadidian’ny filoham-pirenena. Raha ny voka-pifidianana teo aloha, dia mila misokatra amin’ny ankolafin-kery hafa i Andry Rajoelina raha mitady fitoniana politika satria fandresena tsy dia marin-toerana loatra no azony. Nisy rahateo dieny taty am-piandohana ny fanoherana sy ny fampanekena ny vahoaka nitaky ny fahamarinana teny amin’ny 13 mey tamin’ny alalan’ny fampiasan-kery. Tsikaritra ho avy eto afovoan-tany avokoa ny ankamaroan’ireo mpiara-dia kanefa tany amin’ny faritany no tena nahazoany vato ka mila mahay mijery izany izy. Niteraka adihevitra ny fifidianana nahalany azy, indrindra teo amin’ny fahadiovana sy ny fangaraharana, saingy tsy any intsony ny adihevitra fa ny ho avy no hiaraha-mahita eo. Nanana ny vinany sy programan’asany ary ny velirano nataony i Andry Rajoelina. Tsy misy vina ratsy izany satria fampandrosoana foana no voalaza fa fonosin’ireny, saingy ny adihevitra dia ny hoe: mifanaraka amin’ny filan’ny vahoaka sa tsia ? Ahoana ny fomba hanatanterahana izany mba tsy hilazana fa fampanantenana poakaty ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.