Nifanao dina fa hanao lohalaharana ny fampihavanana miainga hatrany ifotony mialoha ny fifidianana ireo mpanao politika tafavory tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina omaly.
Ny 90%-n’ny antoko politika eto Madagasikara, hoy ny mpitondra teny, Simon Pierre, dia tonga nanao sonia izay fifanekena izay avokoa androany alatsinainy 04 jona 2018 (omaly). Misy sendika koa ao, misy vondrona politika sy fikambanana isan-karazany. Miantso ny Malagasy rehetra, ny hery politika, ny FFKM ary ny foloalindahy koa moa ireto mpanao politika ireto mba hifanome tanana hanatontosana izany. Hatreto dia tsy mbola fantatra mazava izay tena vontoatiny sy lalana tian-kizoran’izao nambaran’izy ireo fa “Pacte” izao. Ny nohamafisin’izy ireo kosa anefa dia hoe tsy tokony hanao fifidianana raha tsy tontosa izy ity. Fandroritana ho any amina tetezamita ve sa ho any amina fifanarahana politika vaovao hizarana seza be dia be ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.