Politique

Mpanao politika nifamory tetsy amin’ny Le Pavé Mizarazara ny hevitra


  • Alarobia 30 Mey 2018

Na iombonan’izy rehetra aza fa tokony hiala ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina dia hita ho mizarazara ihany ny hevitr’ireo mpanao politika mpivory tato ho ato etsy amin’ny Pave Antaninarenina.

Saika hita teny avokoa ny solontenan’ireo antoko sy vondrona politika misy eto amin’ny firenena toy ny HVM, ny OHT, ny VAMI ary ny Aro riaka.

Gaby Vakiniadiana (Antoko Vahoaka Miray na VAMI) :  « Itarihana fitoniana iny fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana iny saingy hita ihany hoe natao hampatory vahoaka satria mampametra-panontaniana ny maro. Ho tanteraka an-tsakany sy an-davany ve ? 3 volana sisa dia andeha ny fifidianana. Inona no vokatra ho azo amin’izany ? Azo antoka ve fa tsy hahazo tombony amin’io fifidianana mialoha ny fotoana io ny HVM ? Aleo miroso amin’ilay tetezamiampita. »

Emile Ratefinanahary (Olona Hasin’ny Tany na OHT) : « Aoka tsy handray ny fanapahan-kevitry ny HCC amin’izay mahamety azy ny tsirairay. Ny andininy voalohany nilaza fa azo raisina ny fitorian’ireo depiote 73, andininy faharoa hoe tsy tafatsangana ny HCJ. Raha ny lojika izany dia tokony hametra-pialana ny filoham-pirenena ny andininy fahatelo. Efa mibaboka anefa ny HCC raha mitaky fifidianana mialoha ny fotoana. Manaiky izy fa tokony hiala ny filoham-pirenena. Tsy olana iny didy navoakan’ny HCC iny raha tontosa ny fampiharana azy. »

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT