Rehefa tena zohiana dia efa manomboka leo ny fiverenan-kiran’ireo mpanao politika mitabataba etsy sy eroa ankehitriny ireo vahoaka malagasy.
Tsikaritra izany raha mahita ireo famoriam-bahoaka tato ho ato. Misy amin’ireo mpanao politika sasany milaza fa matoa mivoy ny hevitra, toy ny resaka fanorenana ifotony ankehitriny, dia tafita ny hevitra. Ny mpanao politika sasany kosa anefa hita ho mitaraina mihitsy mba ho henoina. Ny eo amin’ny resaka fandresen-dahatra no tena hita ho misy ny lesoka raha ny fanamarihan’ireo mpanara-baovao. Maro ireo mpanao politika sady ratsy laza no tsy ampy tambinteny na ilay antsoin’ny vahiny hoe “charisma”, raha ny fanazavana hatrany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.