Tsy zava-baovao fa efa zary fomba fanao politika eto amintsika mihitsy ity mifamorivory amina toerana iray anaty vanim-potoam-pitolomana ity isaky ny misy hetsika mafampana toy izao ankehitriny izao.
Samy milaza azy ho mikendry ny tombontsoam-pirenena daholo. Tato anatin’ny 5 taona izao dia ny fanorenana ifotony indray no malaza. Izay rehetra miteny dia samy milaza an’io laharam-pahamehana io daholo saingy ilay paika toa samy manana ary samy midongy te harahana. Na dia mihizingizina ho tsy mitady seza aza anefa izy ireny dia taratra amin’ny fomba firesany foana fa ao ambadika izay faniriana hitondra firenenana izay. Herinandro mahery izao, tsy tapaka nahenoana fivoriana tetsy amin’ny Le pavé Antaninarenina. Tsy olom-baovao ireo hita tao fa anisany ry Emile Ratefinanahary filohan’ny Olona hasin’ny tany na OHT, ny mpanao politika, Hery Raharisaina, ry zareo avy eo anivon’ny RMTF ary na ireo avy amin’ny antoko HVM koa aza dia voalaza fa efa nisy nahatonga solontena tao. Sady tsy TIM no tsy Mapar fa dia ho sakaizan’izay mpandresy eo ve ? Mety hisy fahagagana ve anefa hoe tsy misy mersenera ao anatin’izany ?
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.