Politique

Mpanao politika Mibahan-toerana loatra amin’ny raharaham-pirenena


  • Alarobia 17 Jona 2015

Ambentin-tenin’ireo mpanao politika Malagasy foana ny fitiavan-tanindrazana sy ny fiarovana ny tombontsoam-bahoaka. Fihetsika mifanohitra amin’izany hatrany anefa no hita sy tsikaritry ny fiarahamonina amin’ireo vondron’olona sokajiana ho matihanina amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara.

 

 Efa tena tsy rariny intsony ny kajikajy politika feno fihatsaram-belatsihy miaraka amin’ny kibay an-kelika fanapotehana ny firenena hataon’ny mpanao politika. Ny zava-misy dia mibahan-toerana loatra amin’ny raharaham-pirenena ny mpanao politika Malagasy izay tsy mihevitra afa-tsy ny manakorontana ny fiainan’ny mpiray tanindrazana. Mbola manaporofo izany indray ny toe-draharaha mafampana ara-politika miseho eto amintsika amin’izao ankatoky ny fahatsiarovana ny faha-55 taona niverenan’ny fahaleovantenan’ny firenena Malagasy izao. Tsy mahagaga raha miraviravy tanana sy tsy mihevitra ny tenany ho tompon’i Madagasikara ny vahoaka maro an’isa manerana ny nosy. Trangan-javatra mampalahelo, ohatra, ny mamparisika ny tokantrano Malagasy manangan-tsaina izay rehareha sy ahafantaran’izao tontolo izao ny maha-firenena mahaleotena an’i Madagasikara. Ireo vahiny any ivelany aza tsy mitsahatra ny manohana antsika ka inona moa no manakana ny mpanao politika Malagasy hivondrona sy hiray hina hanavotana ny firenena, hoy ny mpanara-baovao politika sady mpikambana ao amin’ny antoko TIM Rakotomamonjy Philippe.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT