Politique

Mpanao politika Malagasy Tsy mbola ampy fahamatorana


  • Zoma 26 Oktobra 2018

Mizarazara be ny hevitr`ireo mpanao politika amin`izao fotoana. Mahakasika ny fifidianana ho filoham-pirenena, misy no tsy marisika firy ary misy ireo vonona hiatrika hatramin`ny farany.

Mahavariana tokoa fa misy amin`ireo kandidà manohitra fifidianana no mbola manohy ihany ny fampielezan-kevitra. Mbola mitohy ihany koa ny fivoahany amin`ny haino aman-jery sy gazety samihafa. Mila faritana mazava ny antsoina hoe mpanao politika, antoko politika, ny fiarahamonim-pirenena ao anatin`ny firenena iray. Ny fanaovana politika dia ny fanarahana amin`ny andavanandro mahakasika ny raharaham-pirenena,  ny raharaha politika, ny raharaha ara-toekarena… mikasika  ny vahoaka fa tsy miandry fifidianana vao mitsangana ny mpanao politika sy antoko politika na hoe misy fanendrena amina toerana (remaniement). Olana tamin`ity fifidianana 2018 ity ny fikirakirana lisi-pifidianana na fametrahana biraom-pifidianana izay tokony ho tany amin`ny volana mey no nandray andraikitra ny mpanao politika na ny antoko politika. Tokony ho anjaran`izy ireo no nanara-maso hoe tsy manara-penitra ny fizotran`ny fifidianana mahakasika ny lalàm-pifidianana izay nampisy ny olana hatramin’ny voalohany. Efa antomotra ny fifidianana, efa nekena fa ho hirotsaka hofidiana ny kandidà kanefa izao vao mitsikera ny fanatsarana ny lisi-pifidianana kanefa ny lalàna dia mamaritra fa tsy azo atao intsony. Tokony hametraka fomba fiasa sy rafitra mazava tsara ny antoko politika dia ny fananana vinam-piarahamonina,  fitondrana ny anjara-biriky amin`ny fitantanan-draharaham-panjakana, fitsikerana, fanomezana vahaolana maro isan-karazany amin`ny andavanandro. Tena mbola olana goavana eto Madagasikara ny fitiavan-tsezan`ny mpanao politika, tsy mbola matotra. Ohatra ratsy ho an`ny vahoaka io ka mety maha sarotra ny fametrahana ny fitoniana eto, tsy mahari-pery fa miovaova fisainana sy foto-kevitra isaky ny mihetsika.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT