Tsy ho tanteraka eto Madagasikara mihitsy ny tena fampihavanam-pirenena satria tsy hita soritra hatramin’izao ny finiavana politika eo amin’ny filoha am-perinasa sy ireo mpiara-dia aminy ankehitriny, hoy ny resaka mandeha eny anivon’ny fiarahamonina.
Maro ireo antony tsy ahafahana miroso amin’izany satria «tsy mbola niova fo» ireo mpanao politika mpanoro vohony sy mpampidi-kizo ny firenena efa ho 50 taona mahery izao noho ny fitiavan-tseza miaraka amin’ny tombontsoa mihoapampana. Tsy manana foto-kevitra tena ijoroany ilay milaza ho filohan’ny Malagasy 22 tapitrisa fa miovaova isaky ny mahatsiaro ny kabary hataony hatramin’ny nandraisany ny fahefana nampindramin’ny mpifidy antsasa-manila mahery kely azy tamin’ny volana desambra 2013. Ny zava-misy aloha dia nanova ny fizotry ny raharaham-pirenena ny fahatongavan’ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc eto an-tanindrazana, hoy ny mpanara-baovao. Maro ireo mahita fa tsy tao anatin’ny programan’ny mpitondra fanjakana velively ny hampihatra manontolo ny tondrozotra nifanarahan’ireo mpanao politika sokajiana fa mahasolotena ny vahoaka Malagasy. Mety amin’ny manampahefana kokoa mantsy ny fijanonan’ity filoham-panjakana teo aloha ity any ivelan’i Madagasikara mandrapahatapitry ny 5 taona, fe-potoam-pitantanana iray. Azo leferina ihany anefa io kajikajy politikan’ny antoko «Hery Vaovaon’i Madagasikara» io raha tsy mihalalim-paka isan’andro ny fahorian-dRamalagasy tahaka ny tsy fifehezan’ny tompon’andraikitra ny fahatapahan’ny jiro izay miitatra any amin’ny rano koa ankehitriny.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.