Miasa mangina ny sehatra iraisam-pirenena eo anatrehan’ny fidirana an-tsehatra amin’ny toe-draharaha politika mikorontana eto Madagasikara.
Nivoaka ny didin’ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC. Tombanana ho nisy dian-tanan’izy ireo iny na nivantana na an-kolaka, ary ny fandinihana iny voka-pitsarana iny aza, dia endrika tondrozotra mihitsy, ary karazana fanerena an-kolaka handaminan-draharaha. Tsy nitsangantsangana fotsiny akory no nataon’ireo iraky ny firenena mikambana mikambana na ny rafitra iraisam-pirenena, na teo aza ny tsy fankasitrahan’ny mpanao politika maro toy ny depioten’ny fanovana eo anatrehan’ny mety ho fampitsabahana ny Malagasy, toy ny efa niseho tamin’ny “ni…ni…” ny taona 2013. Tombanana hanery mivantana na an-kolaka amin’ny fananganana governemanta sy ny fanaovana fifidianana mialoha ny fotoana izy ireo. Handrangaranga sazy ho an’ireo mpanao politika, izay tsy manaiky hofeheziny mora foana. Handeha ny fandresen-dahatra sy fandrahonana ireo mpanao politika vaventy mety mafy loha na mitady tsy ho azo fehezina, ary ireo no terena hanery ny ekipany hilefitra. Maro rahateo ny mety ho fahalemen’ireo mpanao politika sokajiana, eny fa na ireo sokajiana ho goavana sy tsy azo ihodivirana aza satria misy ny mitahiry vola any ivelany na manana orinasa any mihitsy. Mety ho avy ny hoe hogiazanay ny volanareo sy ny harenanareo any ivelany, dia ho vita ho azy ny kabary. Fahalemena ho an’ny mpanao politika malagasy io, ary sarotra ny hamoy ny vola aman-karena, ka mety voatery hampandefitra ny hambom-po politika. Na eo aza ny mety ho fitiavan-tanindrazana tena izy na sarintsariny, dia ambony ny resaka vola aman-karena ho an’ny mpanao politika maro eto amintsika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.