Politique

Mpanala fanadinana any Ambato Hampanaovin’ny depiote Auréline « cours » maimaimpoana


  • Alatsinainy 29 Jona 2015

Tsy nanadino ireo kilonga mpanala fanadinana tany amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ny depiote Andriamasimanana Auréline tamin’iny fankalazana ny fetim-pirenena 2015 teo iny. Nanolotra Vatomamy sy akanjo mafana ary harendrina 2 500 isa ho an’ny ankizin’ny Epp hanala fanadinana CEPE ny tenany.


 


Ny Epp Antsahatanteraka, Madiotsifafana, Ambodimanga, Anosindrafilo, Amparabonga, Ambohimasina, Ampasambazimba, Ampongamaneno, Ambaiboa Gara, Ambalavato no voakasika tamin’ity indray maka ity. Nilaza  tamin'ireo mpianatra koa izy fa hanome « cours » maimaimpoana ho an’ireo izay hanala fanadinam-panjakana rehetra CEPE , BEPC ary BAC. Hiarahan'ny depiote sy ny mpampianatra misalahy izany. Ho an'ireo hanala fanadinana CEPE dia hanomboka anio alatsinainy 29 jona avy hatrany izany  fa ny BEPC sy ny BACC dia miandry ny fandaminana.  Ny zoma 26 jona, raha tonga hanatrika ny lanonan'ny fetim-pirenena teny amin'ny kianja Rasolonjatovo Ramatoa solombavambahoaka Andriamasimana Aureline,  dia tsy afaka nipetraka teo amin'ny toerana izay efa voatokana ho azy fa olon-kafa no napetraky ny tompon'andraikitra teo. Nandao ny toerana nanaovana ny lanonana izy ary namonjy tany amin'ny tanàna niaviany tany Manakambahiny Andrefana. Raha ny tsiliantsofina heno dia ny tao amin'ny Région sy ny solombavambahoaka iray izay voafidy tao an-toerana no nanome baiko fa tsy ho avy ny depiote Aureline Andriamasimanana ka dia nomena olona hafa ny toerana. Tsy mitady seza aho fa ny fetim-pirenena no nahatongavako ary tsy misy hiraharahaiko ny resaka politika fa ny sosialim-bahoaka izay fanamby nataoko tamin’ny propagandy no tanterahiko, hoy izy. Porofon'izany ny fampidirana an-tsekoly ireo ankizy eto amin'ny distrikan'Ambato.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT