Politique

Mpanakorontana ny propagandy Hosamborina avy hatrany


  • Talata 30 Oktobra 2018

Tapitra omaly alatsinainy 29 oktobra ilay 72ora nomen’ny kandida filoham-pirenena miisa 25 ny CENI sy ny fanjakana hanokafana indray ny lisi-pifidianana noho ny fahitan’izy ireo fa misy tsy mangarahara sy feno hosoka, ankoatra ny anarana maro tsy tafiditra, ka mila diovina ny lisitra.

 

 

Tsy niandry ela fa namaly bontana avy hatrany ny mpitondra fanjakana sy ny mpitandro ny filaminana ao anatin’ny OMC (Organe Mixtes de Conception) tarihin’ny Prefen’Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian, fa handray fepetra hentitra vao misy ny fanakorontanana. Eny Tsiafahy avy hatrany izay kandidà mihoa-pefy amin'ireo mitaky ny hanokafana ny lisi-pifidianana, hoy ity manamboninahitra ity omaly. Taorian’ny fahataperan’iny fe-potoana iny kosa, dia nanao fanambarana ireo kandida omaly, fa hanao hetsika eny Mahamasina anio 30 oktobra  manomboka amin’ny 10 ora maraina ary hitohy amin’ny faritany rehetra. Ny momba ny fanadiovana ny lisi-pifidianana izay feno hosoka sy ny fanomanana ny zotram-pifidianana hatrany no horesahin’izy ireo amin’ny olom-pirenena amin’izany, araka ny fanambarana nataony omaly. Andrasana, araka izany, izay hiseho anio hoe: ho avy hanakana sy handrava ny hetsika ve ny mpitandro ny filaminana ? Hisy ve ny fisamborana ary mety hisy mpanao politika hanara-dia an’i Pety Rakotoniaina any am-ponja ve ? Ny azo antoka aloha dia efa manana ny planina ho azy ireto kandida ireto, raha tarafina amin’ny fanehoan-kevitry ny amiraly Ratsiraka izay efa nanome toromarika ho an’ny ben’ny tanàna mba tsy hanaiky lembenana raha misy ny zavatra tsy mazava.Nanamafy teny Faravohitra moa omaly ny firaisankinan’ireo kandida fa mila diovina ny zava-drehetra manodidina ny fifidianana, takian’izy ireo ny fanokafana ny lisi-pifisianana.Mitaky ny hamoahana ho fanta-bahoaka ilay fifanarahana politika nisy teo amin’ireo filoha telo mirahalahy mialoha ny nanendrena ny praiminisitra Ntsay Christian ihany koa ny amiraly Didier Ratsiraka.

 

 

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT