Manoloana ny zava-nitranga omaly teny amin’ny trano fonenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana dia naneho ny heviny ireo mpikambana avy ao amin’ny Movansa Ravalomanana. Ny mpisolovava azy ireo no nitondra ny teniny.
Nilaza izy ireo fa tsy ara-dalàna ny fomba nisamborana an’Atoa Ravalomanana satria dia tsy nisy akory ny taratasy fisamborana avy amin’ny mpampanoa lalàna. Raha ny lalàna anefa no arahina, hoy hatrany ity mpisolovava ity dia tokony hisy ny dingana harahina, indrindra amin’ny maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara izay dradrain’ny fitondrana ankehitriny. Ny zava-misy mantsy dia natao an-keriny ny fisamborana natao, nisy ny fanapotehan-javatra sy ny fanaovana ramatahora tamin’ireo olona teny an-toerana. Amin’ny maha filoham-pirenena teo aloha azy mantsy dia misy ny sata manokana ananany. Natao toy ny fisamborana jiolahy anefa ny nangalana ny filoha Ravalomanana, hoy hatrany ny fanazavana. Raha sanatria hoy ity mpahay lalàna ity ka ilay didy navoaka tamin’ny andron’ny tetezamita teo aloha no nampiharina iny dia tsy tokony hasiana resaka akory izany satria didy tsy natrehan’ny voakasika. Raha tany tan-dalàna ny eto Madagasikara, hoy hatrany izy ireo dia tokony hisy ny fanarahana ny paikady heloka ao amin’ny fehezan-dalàna andininy faha-53 kanefa na ireo mpisolovava aza tsy mahalala ny misy an’Atoa Ravalomanana akory kanefa zon’ny tsirairay ny manana mpiaro rehefa voakasika araka ny lalàna. Manoloana izany dia nametra-panontaniana ihany ireo mpikambana ao amin’ny movansa Ravalomanana hoe: tena vonona hiroso amin’ny fampihavanam-pirenena marina ve ny mpitondra ankehitriny ary tena tany tan-dalàna tokoa ve i Madagasikara raha ny zava-misy no jerena ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.