Toerana maro be amin’ireo faritra 22 manerana ny nosy izay tsy noeritreretin’ireo kandida hafa akory hotsidihana no tongan’ireo mpanao fampielezan-kevitry ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana.
Anisan’ny tafiditra ao anatin’izany ny tao Morarano Antongona no distrikan’ Imamo , izay manakaiky an’ Imerintsiatosika ; teo ihany koa ny tany Mahazoarivo , mbola amin’iny faritra ny ihany . Nanamafy ny mponina tany an-toerana fa tsy nisy mpanohana ny kandida hafa tonga nitsidika sy nanao fampielezan-kevitra tany fa dia ny Zanak’i Dada laharana faha 25 ihany no nahavita nitsidika, nitafa sy nifanakalo hevitra tamin’izy ireo.Marihana fa hetsiky ny olon-tsotra mpankafy sy manohana an’i Marc Ravalomanana ireto manao fampielezan-kevitra mitety fokontany ireto ary tena mampiasa ny fitaovana ananan’izy ireo sy mamoaka ny vola am-paosin’izy ireo madiodio. Resy lahatra ny mponina tany an-toerana fa i Marc Ravalomanana tokoa no kandida mahavita azy sy tena mihaino ary mahalala ny filan’ny vahoaka.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.