Vadina kandidà mifanerasera akaiky amin’ny vahoaka i Neny Lalao Ravalomanana. Nanao fampielezan-kevitra ho fampandresena ny kandidà Marc Ravalomanana laharana faha-25 izy ny sabotsy teo tany amin’ny distrikan’i Moramanga iny.
Niresaka sy nifanakalo hevitra mivantana tamin’ny vahoaka izy, niainga tao Marozevo, izay toerana nitsenan’ny KMMR Alaotra Mangoro sy Moramanga azy sy ny delegasiona notarihany, ka hatrany Moramanga. Tandahatra fiarakodia maro no nitsena azy nihazo an’i Moramanga. Nitafa sy nihaino ny hetahetan’ny vahoaka teny an-dalana rehetra teny sy tany amin’ny tsena tamin’iny faritra iny izy, toy ny tao Marozevo, Anjiro, Andriaka ary tao Moramanga ihany koa. Tao Moramanga dia nisy ny hetsika an-dalambe mialoha ny fihaonan’i Neny Lalao Ravalomanana tamin’ny vahoakan’i Moramanga tao amin’ny QG ny KMMR. Mbola hihaona aminareo eto Moramanga i Dada numéro 25, hoy izy fa izaho aloha no nialoha lalana. Tamin’ny lahateny nataon’i Neny Lalao Ravalomanana tamin’ny vahoakan’i Moramanga izay tonga marobe tokoa ny sabotsy io no nanambarany fa ny fanohanantsika an’i Dada dia tena ho fampandrosoana an’i Madagasikara, ny Malagasy aloha hoy izy no laharam-pahamehana ho an’ny kandidà N°25. Nanteriny fa manangana isika noho ny taranaka, manangana sy manorina isika noho ny fahasahiranan’ny manodidina antsika ankehitriny, manangana sy manorina isika ho fanoherana ireo mpamotika. firenena. Nilaza izy fa ny kandida Marc Ravalomanana dia olona matahotra an’Andriamanitra, tia tanindrazana, tia ny vahoaka, mahatsapa isika fa efa be ny vitany ho an’ny firenena ary mbola hotohizany izany. Ny manifesto izay nataony dia dina amin’ny vahoaka Malagasy hoe: inona no vitany ? Inona no tsy vitany rehefa tonga eo amin’ny fitondrana i Dada ? Nanakoako tany Moramanga ny hoe: iza ary ilay hotohanana ? Marc Ravalomanana a ! Jereo kely ny tabilao, 25 ilay numerao.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.