Tsy ho kandida, tsy handray anjara, tsy hanohana kandida ny antoko Monima, hoy ny fanambaran’ny filohany Monja Roindefo, raha efa nanambara izy vao tsy ela akory izay izy fa hirotsaka.
Sarintsarim-pifidianana efa fantatra mialoha fa haloto no hisy eo, raha ny ambarany. Miahiahy ihany koa ity mpanao politika ity sy ny ekipany, fa tsy hitondra voka-tsoa ho an’ny firenena ny fifidianana ary milaza ho tsy tompon’andraikitra amin’izay mety hiseho ny Monima. Tsy izy irery ihany fa nilaza ny tsy haha kandida azy ihany koa i Patrick Raharimanana. Noho ny hoenti-manana ara-bola no voalaza fa tena olana. Tsy adinony ny nisaotra ireo rehetra nanolo-tanana ho azy, izay olona miisa 8 avy eto an-toerana sy any ivelany, ka nahangonana 2 600 000 Ariary. Tsy tsara kokoa tokoa ve ny mitsotra hoe tsy ampy hoenti-manana ara-bola toy izay mitady lalana ambanin’ny tany amin’ny vahiny sy manao fifanarahana maloto hamarotana tanindrazana toy ny ataon’ny sasany ? Tsy re feo kosa ireo efa nilaza ho kandida, toa an-dry Alain Andriamiseza, Arlette Ramaroson,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.