Nivoaka tao anatin’ny fahanginany ny antoko Monima tarihin’i Monja Roindefo eo anatrehan’ny hanatanterahana ny fifidianana eto amin’ny firenena afaka volana vitsy.
Manahy ny tsy hisian’ny mangarahara izy ireo, ary milaza fa tsy hitondra fitoniana eto amin’ny firenena ny fifidianana izay ambarany fa notapahan’ny mpitondra io, araka ny baikon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Ahiana ny hampitombo ny savorovoro misy sy hiteraka korontana. Nanoratra sy nandefa taratasy any amin’ny filohan’ny CENI i Monja Roindefo, izay miangavy ity farany hanome alalana ny CPPA (Conseil des partis politiques Africains) na Filankevitry ny antoko politika Afrikanina ho anisan’ny mpanara-maso ny fifidianana. Nambarany fa matoa i Madagasikara mbola mahantra, tsy misy ny fandriampahalemana sy ny fahamarinan-toerana ara-politika, dia tsy mbola madio sy tsy mety madio ny fifidianana. Milaza ny handray anjara amin’ny fifidianana izay ho filoha anefa ny Monima, ka i Monja Roindefo no kandida hatosika amin’izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.