Politique

Mitohy ny tolon’ny 13 mey Tsy maintsy miala ireo minisitra HVM


  • Alatsinainy 18 Jona 2018

Raha ohatra mbola misy ny fomba rehetra voafaritry ny lalàna hahafahana manaisotra an’ireo dia hampiasainay daholo, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa ny sabotsy teny amin’ny kianjan’ny 13 mey manoloana ny mbola fisian’ny minisitra HVM ao anaty governemanta. Nitohy ny fanangonan-tsonia hitakiana ny fialan’izy ireo.

Raha misy ny fomba azo atao, ary raha mifampiresaka aza tsy maninona satria ny praiminisitra teto dia niteny hoe andao hanao fifampiresahana sosialy, ka handeha ary hatao, hoy hatrany izy. Izahay mila porofo amin’ny alatsinainy raha toa ka mitana ny teny nataonao ianao, fa raha tsy izay dia mikisaka miala, hoy ity depiote ity tamin’ny alalan’ny fihetsiny. Mbola maro be ny zavatra azonay hatao, ary misy ny minisitera mbola afaka mifampiresaka fa ao kosa ireo izay tsy azo ifampiresahana intsony fa efa tena tapaka ny tady, hoy ity depiote ity. Fanakatsoana ny minisitera ihany no azo atao, ka noho izany dia tsy maintsy ovaina ilay minisitra fa mifanohitra amin’ny fanovana izany, raha ny fanambarany. Nisy ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana na ny LFR tsy lany, izay matoa tsy lany dia noho ny fiaraha-miasan’ny depiote 73, fa teo ihany koa ireo depiote 79 izay nanampy anay, hoy kosa ny depiote Tody Arnaud. Nambarany ihany koa fa tezitra amin-dRajaonarimampianina ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier, Mbola Rajaonah, Harijaona Randriariamalala. Loza izany ary ny tokony hahamailo antsika hoe sao dia hisy hijapy ny tolona ataontsika fa amin’ny andro tsy ampoizina, hono, dia hiakatra eto hitaky ny fialan’ny filoham-pirenena, hoy izy. Isika matoritory, fa amin’ny lafiny iray  misy mahatsara ny fangatahany satria matoa mangataka izay dia mahita fa tsy hilaina intsony, hoy izy. Ho aiza amin’izay Rajaonarimampianina sy i Rivo Rakotovao satria izy ireo izany sisa. Vao mainka mihamafy ny fitakiana ny fialan-dRajaonarimampianina, izay efa manomboka miady irery, ka miantso ny sendika tsy hanamafy ny tolona ny mpitarika, indrindra amin’ny fampikatsoana ireo minisitera mbola ahitana HVM.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT