Miandry fatratra izay hahatanterahan’ny famindram-pahefana amin’ny PDS-n’ny renivohitra sy ny ben’ny tanàna vaovao Lalao Ravalomanana ny rehetra satria samy te hahita amin’izay ny fomba fiasan’ny TIM amin’ny fitantanana ny renivohitra.
Efa tamin’ny andron’i Patrick Ramiaramanana tamin’ny 2003 no nisy ben’ny tanàna avy amin’ny Tiako i Madagasikara farany voafidim-bahoaka teto, resy ny TIM tamin’ny 2007. Nanana taona maromaro ihany noho izany ity antoko noforonin’i Marc Ravalomanana ity nandinihana tsara ny zava-misy, nandraisana lesona ihany koa. Efa tratran’ny aretin’ny fisamatsamahana koa ity antoko ity saingy nanova zavatra be ny nahatafaverina an-tanindrazana ny filoha mpanorina azy izay nahay nampihavana ireo mpiara-dia aminy ka nahavita kongresy goavana nofaranana tamin’ny fanavaozana ny birao politika nasionaly. Mazava ny an’ny TIM fa raisina ho lesona ny tantara sy ny zava-nitranga, tsy miova ny tanjona fa dia ny hanasoa ny Malagasy sy hampandroso an’i Madagasikara, azo atao tsara izany rehefa manana foto-pisainana tia fivoarana sy mikaroka ny tsara kokoa hatrany, no sady manana paikady hanatanterahana ny vina. Tonga ity ny fotoana, mitohy amin’izay ny lalana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.