Politique

Miteny ny vahoaka “ I Dada no azonay antoka hamaha ny olanay !”


  • Zoma 14 Septambra 2018

Tsy nisy fampilazana mialoha na fanentanana fa vao nahita ny fiara nitondra an’i Marc Ravalomanana dia nirohotra nanatona sy niresaka tamin’ny vahoakan’Ankazomiriotra izy omaly.

 

 

 

Vahoaka maro be no tonga, tapaka hatramin’ny lalana. Mila miresaka aminao izahay prezida fa aza andalovana fotsiny, hoy izy ireo. Tahaka ny tany amin’ny faritra maro nandalovany dia nihaino ny fitarainan’ny vahoaka sy ny hetahetan’izy ireo i Dada. Mahareta kely ianareo fa ho avy i Dada , hoy izy ary tsy maintsy harenintsika miaraka ity firenena ity. Mialoha izao moa dia nihaino ny fitarainan’ny mponina tany amin’ny faritra Menabe iny Atoa Marc Ravalomanana nandritra ny fivahinianany tany an-toerana … Tsy ara-drariny, hoy izy ireo, ny fitsinjarana ny rano amin’ny alalan’ny lakandranon’i Dabaraha fa toa izay olona mahatolotolotra vola no mahazo rano. Ny vahoaka madinika tsy mahazo rano araka ny tokony ho izy, hany ka tsy afaka miaina sy mamokatra tsara. Nanamafy i Dada fa iankinan'ny fampandrosoana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny fandriampahalemana sy ny famokarana ara-tsakafo ary ny fotodrafitrasa mahakasika izany. Laharampahamehana ireo ahafahan'ny vahoaka mivelona sy miaina milamina. Noho izany, tsy maintsy karohana ny vahaolana momba ny famatsian-drano any Dabaraha sy ireo toerana manodidina azy toy ny ao Ankilivalo. Mbola manampy trotraka io olana momba ny rano io ny tsy fisian’ny masomboly, ritra koa ny omby noho ny asan-dahalo ary ny tena loza dia iharan’ny fakana an-keriny ny vahoaka izay efa tena sahirana, hoy ny mponina ao an-toerana. Eo amin’ny sehatry ny fampianarana indray, mahatadidy ny soa azon’ny zanak’izy ireo amin’ny filoha Ravalomanana fony izy teo amin’ny fitondrana ireo ray aman-dreny. Tsy misy intsony izao ny kitapo, fanamiana sy ireo fitaovana maro samihafa koa tena mijaly ny zanakay ary maro no tsy afaka mianatra intsony, hoy izy ireo. Nahita maso ny fiainan’ny mponina any Menabe, nijery ifotony sy tafaresaka tamin’ny teknisianina momba ny lakandranon’i Dabaraha, ho avy isika amin’ny angady sy ny harona ary tsy maintsy hitantsika ny vahaolana, hoy i Marc Ravalomanana.Tsara homarihina fa efa naneho ny tsy hafaliany amin’io tsy fitsinjarana ara-drariny ny rano avy amin’ny lakandranon’i Dabaraha io ka nanao sakana tamin’ny lalampirenena faha-35  ny mponina tao Morondava tamin’ny septambra 2017 satria kaominina 5 ao amin’ny distrikan’i Morondava no tojo olana efa ho efa-taona ka tsy afaka manondraka ara-dalàna ny tanimbary sy ny tanimboly.Nisy ny asa efa nataon’ny fanjakana taorian’izay saingy mbola niverina ihany ny olana ankehitriny raha ny fitarainan’ireo mponina tamin’i Marc Ravalomanana. Ny faritra eo antenantenany moa no tena sahirana noho ny fitantanana ny rano tsy araka ny tokony ho izy any amin’ny faritra avaratra sy atsimo amin’ny fandalovan’ny lakandranon’i Dabaraha, raha ny fanazavana azo. Efa niteraka fidangan’ny vidim-bary io olana io satria raha 200 ariary ny kapoakan’ny vary nahazatra, nisy fotoana efa tafiakatra 550 ariary tany an-toerana. Tena misy ny olona miresaka sy mampanantena mandalo eto aminay, saingy ny fantatray aloha dia Ravalomanana no nahavita azy ary azonay antoka fa mahavaha ny olanay, hoy ireo mponina nihaona mivantana tamin’i Dada tany Morondava, Mandoto,Anjoma Ramartine, Ambatondradama izay maro be hatrany. Hihaona amin’ny vahoakan’Antsirabe i Marc Ravalomanana rahampitso sabotsy ary ho eny Ivato kosa ny alahady antoandro izao, araka ny fandaharam-potoana fantatra hatreto.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT